Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

27 Janoary 2011

Tantara tamin'ny 27 Janoary 2011

Madagasikara : Mba azonao atao sariitatra koa ve ny fanaovan-gajety?

Guatemala: Fanamby ho an'ilay vehivavy voalohany hitana ny andraikitra mpampanoa lalàna

Ao amin'ny firenena anankiray izay  32% monja amin'ny vehivavy [es] no nahavita fianarana ambaratonga faharoa, izay mbola ambany ny fitovian'ny lahy sy ny vavy, izay 8% monja amin'ny solombavam-bahoaka no vehivavy ary tsy mbola misy vehivavy mitantana orinasa na mitantana varotra ambony, ny fanendrena vehivavy ho amin'ny fitantanam-bahoaka sy ho...

Ejipta: Fanoherana an-dahatsary ny 25 Janoary

Nidina an-dalamben'i Kairo sy ny tanàna Ejipsiana maro hafa ny mpanao fihetsiketsehana ny talata 25 janoary teo izay andro tsy niasana, “Andron'ny Polisy”, hanoherana ny 30 taona nitondran'olo-tokana nanjakan'ny Filoha Muhammad Hosni Mubarak. Maro amin'ny mpitazana no nahatsikaritra ny fahabangan'ny tatitra ataon'ny gazety be mpanaraka, saingy nanangona andian-dahatsary ao amin'ny...

Ejipta: Fa Misy Inona ao Suez?

Maro ny tatitra mikasika ny fifandonanan'ny mpanao fihetsiketsehana sy ny mpitandro filaminana no mivoaka avy ao Suez, 129km atsinanan'i Cairo renivohitra, sady mafy sy mazava, raha miditra indrindra amin'ny andro fahatelo ny hetsika rehetra manerana an'i Ejipta. Miaraka amin'ny fahatapahan'ny tambajotra finday, manjavozavo ho an'ireo mponin'ny aterineto ny vaovao. Ny...

Ejipta: Taorian'ny Twitter, Voasakana koa Ankehitriny ny Facebook

Nosakanan'i Ejipta koa androany ny fidirana amin'ny Facebook, tafiditra ao anatin'ireo fangiàzana ny fivezivezen'ny vaovao ataony, taorian'ny hetsi-panoherana omaly. Omaly ihany koa, nosakanany ny fidirana amin'ny Twitter, nokorontanina ny fifandraisana tamin'ny finday tamin'ireo faritra nifamorian'ny mpanao fihetsiketsehana, ary nobahanana ny fahafahana mandefa video mivantana tao amin'ny tranonkala Bambuser.

Ejipta: Nirotsaka ny Alina, Taorian'ny Andron'ny Haromotana

Raha nirotsaka handrakotra an'i Ejipta ny haizin'ny alina, nitohy hatrany kosa ny hetsi-panoherana tao Cairo sy nanerana ny firenena. Toy izany koa ny tatitra momba ny herisetran'ny polisy, nefa koa ny hetsika maha-te-hidera avy amin'ireo mponina sy mpandraharaha eo an-toerana. Ho hita eo amin'ny maraina raha hitohy na tsia ny...

Afrika: Mety ho Afrikana ve ny fotsy hoditra? – Tapany 1

Mety ho Afrikana ve ny fotsy hoditra? ,tsy dia mino an'izany loatra i Sentletse Diakanyo, Afrikana tatsimo mpitoraka bilaogy . Hoy izy, "raha ara tantara, tsy sarotra mihitsy ny dikan'ny teny hoe "Afrikana". Ho an'ny Afrikana amin'izao fotoana, mbola tsy sarotra ihany koa ny dikan'izany. Ny Afrikana manerana ny kaontinanta...