- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejipta: Ny Hetsiky ny 25 Janoary an-tsary

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Politika, Saripika, Vaovao Mafana, Zon'olombelona

Mahalaza betsaka noho ny tweets an'arivony ny sary iray, indrindra rehefa hoe  voasakana ny Twitter ao Ejipta [1] mba hanakànana ny fampitàna vaovao mikasika ny fihetsiketsehana mitranga eto Ejipta androany [2] [Eng].

Ilay Ejiptiana mpitoraka bilaogy, Zeinobia [3], dia nanapa-kevitra handray ny fakantsariny ka hidina an-dalambe haka sary sy handefa azy ireny ao amin'ny  kaontiny Flickr [4]. Indreto ny sasantsasany amin'ireo sary avy aminy:

Jan25: Thousands of Security Forces [5]
Tao  Cairo, an'aliny ireo mpitandro filaminana tsinjo teny an-dalambe efa hatry ny vao maraina miaraka amin'ny fanamiana mainty mampahalàza an-dry zareo.

Ity sary ity dia nalain'i Zeinobia, ampiasàna ny creative commons license.

Andro tsy fiasàna ho an'ny firenena iray manontolo androany eto Ejipta. Malalaka be ny arabe. Na izany aza ny mpitandro filaminana dia manana ny tetiny manokana hifehezana ny fibosesehan'ny mpanao fihetsehana, indrindra fa tsy hisy ny fitohanan'ny fifamoivoizana efa mahazatra ao Cairo hanao izay fifehezana izany amin'ny toeran-dry zareo.

Jan25: Galaa Square [6]
Ireo mpitandro filaminana dia nanakana ny ankabeazan'ireo toerana malalaka sy sampanan-dàlana tao Cairo. Navily araka izay tratra ireo fiara hankany amin'ny tetezana sy tonelina daholo , satria sarotra kokoa ny hanao fihetsiketsehana any anaty tonelina , sa tsy izany!? Ny sasany tamin'ny mpampiasa  twitter dia nitatitra fa nikatona koa ny zotran-dalamby ambanin'ny tany (metro) mba hifehezana ny fibosesehan'ny mpanao fihetsiketsehana.

Ity sary ity dia nalain'i Zeinobia, ampiasàna ny creative commons license.

Rassd New Network dia namoaka sary iray mahatalanjon'ireo mpanao fihetsiketsehana tao Tahrir Square tao afovoan-tananan'i Cairo [7] tao amin'ny  pejy Facebook-ndry zareo [8].

Jan25: Tahrir Square in the Evening [7]
Nony hariva, niakatra be tsy nisy toy izany ny isan'ireo mpanao fihetsiketsehana tao amin'ny  El-Tahrir Square [9]. Midan El-Tahrir na El-Tahrir Square dia sehatra nanaovana hetsi-panoherana sy fanehoan-kevitra goavana maro, isan'izany ny tamin'ny Martsa 2003 rehefa nirotsaka nanohitra ny ady tany Irak ny vahoaka.

Sary nalaina tao amin'ny pejy Facebook-n'ny RNN

Voalaza fa voasakana ny Twitter tamin'ny tolakandro. Talohan'izany, maro tamin'ny olona no nanam-bintana afaka nampàkatra sary tamin'ireo tolotra toy  ny twitpic. @M_Na7as nampàkatra ity sary manaraka ity tao amin'ny kaontiny  twitpic, [10] mampiseho ny hamaroan'isan'ireo mpanao fihetsiketsehana miohatra amin'ny mpitandro filaminana tao an-tanànan'i El-Mahalla [11].

Jan25: El-Mahalla El-Kubra [10]
Ireo mpanao fihetsiketsehana nihodidina ireo mpitandro filaminana tao  El-Mahalla. Tsara ny manamarika fa  El-Mahalla dia efa nisedra ireo onjam-pitokonan'ny mpiasa, taona vitsy lasa izay [12].

Sary nalain'i @M_Na7as

Tany ivelan'i Ejipta koa, noraketin'ny olona tamin'ny fakantsarin-dry zareo ireo fihetsehana. @MafazAlSuwaidan nizara ity sary eto ambany ity, [13] fihetsiketsehana nitranga tao  Toronto, Canada.

Jan25: Toronto - Canada [13]
Ejiptiana nanao hetsi-panoherana tao afovoan-tanànan'i Toronto mihiaka  ny hoe : Hihetsika foana mandra-pahazo fandresena, hihetsika manerana ireo arabe rehetran'ny fireneko.

Sary nalain'i @MafazAlSuwaidan

Farany saingy tsy ny maivana indrindra, @TheOnlyWarman nizara sary iray maneho fiarabe iray voasesika miaramila tao amin'ny distrika milamin'i Maadi [14]. Ny sasany tamin'ireo fiarabe tàzana teny an-dalamben'i Cairo, raha ny marina dia avy any amin'ireo fari-piadidiana tsy dia misy korontana loatra mba hanome tànana ny mpitandro filminana teo an-toerana. Ary i @alasmari nizara sary iray misy sary rotidrotiky ny filoha Ejiptiana [15] mipetaka amin'ny iray amin'ireo takelaby fanaovana dokambarotra eny an-dàlana.

Mandritra izany, ireo Libane mpamorona tranonkala, Layal Al Khatib [16] sy  Mirelle Raad [17] dia namorona fampitambaran-tsary iray [18] hanangonana ireo sary nifampizaràn'ny mponin'ny aterineto momba ny hetsika ho ao amina toerana iray.

Taorian'ny nahavitan'ny tetikasa, dia nandefa tweet [19] i Layal :

Manja be ny fiaraha-niasa tamin'i @migheille [20] ho anà tanjona goavana iray #jan25 [21]. Ato ankehitriny ireo sary rehetra nifampizaràna tamin'ny alàlan'ny twitter> http://abaadblogs.com/imagefeed/ [18]

Ary i Mireille nanampy hoe [22]:

Aleo ho hitan'izao tontolo izao, efa sary 423 avy amin'ny hetsik'i Ejipta  #jan25 [21] ao amin'ny  http://goo.gl/diwO8 [23],  miangavy mba zarao ny anaran'ireo olona mandefa sary mivantana amin'ny alàlan'ny  tweet.