- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Video: Ireo mpanao kiraro erantany

Sokajy: Amerika Latina, Azia Atsimo, Azia Atsinanana, Eoropa Andrefana, Holandy, Japana, Meksika, Singapaoro, Sri Lanka, Fanabeazana, Zavakanto & Kolontsaina

[1]

Imagen [1] por Hugo Esteves [2] CC/By [3]

Ireo horonantsary androany dia mifantoka amin'ireo mpanao asa tanana maneran-tany mbola manao kiraro amin'ny tanana. Avy any Meksika hatrany Japana: handinika ny fomba fanamboarana ireo kiraro, kiraro iva sy kapa.

Atombotsika amin'i Meksika ny tontolo andro androany . Ny anarana idiana Rarámuri [4] dia voambara fa midika ireo izay mihazakazaka mafy, ary izany dia nisarika ny sain'ireo mpihazakazaka mino fa amin'ny fandehanan'izy ireo amin'ny kiraro nentin-drazana Tarahumara, ireo huaraches [5], afaka hanitsaka ny hafainganany sy ny hamafisany izy ireo.

Ity horonantsary teo aloha ity [6] dia nampiseho antsika Indiana Tarahumara iray manamboatra ny huaraches nentin-drazany: ity horonantsary manaraka [7] ity dia mampiseho antsika karazana huarache vaovao tahaka ity navaozina eo amin'ny pejy fihazakazahana amin'ny tongotra mitanjaka InvisibleShoe [8] ity.

Manana ny kapa nentin-drazany ihany koa ny japoney. Ireto horonantsary manaraka ireto dia mampiseho ny fomba fanamboarana zōri [9] [jp], waraji [10](1 [11] sy 2 [12]) ary ny kapa geta [13] (manomboka eo amin'ny 2:28) mifanaraka tsara amin'izany:

Ireo kiraro hazo na klompen dia anisan'ny maha-izy azy ny Dutch sy ny sary nandritra ny taona maro. Eto [14], hitantsika ny fomba hanamboaran'izy ireo fitaovana ampiasaina tanana amin'ny fomba nentin-drazana:

Ity naoty fohy ity [15] dia mampiseho antsika iray amin'ireo mpanamboatra kiraro maivana nentin-drazana Peranakan any Singapore:

Kanefa tsy ireo nentin-drazana ihany no natao ho vita tanana tahaka ny hitantsika ao amin'ity horonantsary manaaka ity [16]. Any Sri Lanka, hanamboarana kiraro moderina ihany koa ireo fitaovana nentin-drazana:

Ary farany kanefa lehibe, kiraro miavaka izay nofinofisin'ireo zazavavy maro eran-tany: ny kiraro fanaovana dihy tsara [17].