Nametraka ny firenena ho eo ambanin'ny fanarahamason'ny tontolon'ny twitter Arabo ny fitsapan-kevi-bahoaka [1] tany Sodàna mikasika ny fahaleovantena androany. Hatrany Arabia Saodita ka hatrany Palestina dia mandefa tweets mikasika ny firaisan'i Sodàna, ny fisarahana sy ny harena ny Arabo.
Anisan'ny ao anatin'ny Fifanarahana Naivasha 2005 teo amin'ny governemanta foibe ao Khartoum sy ny Hetsi-panafahan'ny Vahoaka ao Sodàna ny fitsapan-kevi-bahoaka ary mety hahitàna ny fihatàhan'i Sodàna Atsimo amin'ny ambin'ny firenena.
Avy any Arabia Saodita, manontany [2]i Omar Alattas :
Ary avy eo mamehy [4]:
Bader Aujan, avy any Arabia Saodita ihany koa, dia matoky [6] mikasika ny hoavy:
Hoy izy manampy [7] ety afàra:
Ohatra lehibe i Alemana amin'ny hoe ahoana ny firenena roa nisaraka indray andro any no ho tafaraka indray am-pilaminana. Tsy zava-maningana akory i #Sodàna [3] !
Ary i Mohamed Osman, mandefa tweet avy any Arabia Saodita ihany koa , dia miantso [8]ny mpamakiny:
Mivavaka [9] ho an'ny firaisan'i Sodàna ilay Palestiniana Bahaa AlKayyali:
Raha avy any Jordania indray, manondro [10]ny hamaron'ny haren'i Sodàna i Ali Dahmash:
Fantatrao ve fa any amin'ny atsimo no misy ny 70%n'ny famokarana solika any Sodàna. Tsy mahagaga intsony raha manohana ny fisarahana i John Kerry & ny mpanao politika Amerikana!
Ndao hiverina any Arabia Saodita, manontany tena [11] i Bandar Bin Naif, :