- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Haiti: Fisamborana tsy ho ela an'i Duvalier?

Sokajy: Karaiba, Haiti, Fanoherana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fifindràmonina, Lalàna, Media sy Fanoratan-gazety, Politika, Teknolojia, Vaovao Mafana, Zon'olombelona

UPDATE: 7:23 pm AST – @kiskeacity nandefa tweets [1] fa hoe i  ‘Baby Doc’ #Duvalier [2] dia voaheloka momba  ny kolikoly ao Haiti http://ht.ly/3G5s4 [3]#BabyDoc [4]

UPDATE: 4:15 pmAn-dàlana hody any amin'ny hoteliny i Duvalier; toa hiresaka amin'ny media atsy aroriana kely. [5]

UPDATE: 2:05 pmVoalaza fa toa tonga any amin'ny [6]“Parquet” [7]ny ‘cortège’ [6].

Efa talohan'ny tamin'ny iraikambinifolo ora io maraina io,   rakotry ny sahoan-dresaka ny Twitter  fa hoe i Jean-Claude “Baby Doc” Duvalier, ilay mpanao jadona taloha voaozona nitsoak nialokaloka tany Frantsa ary niverina tampoka tany an-tanindrazany tamin'ny Alahady alina [8], dia tratry ny fepetra fampisamborana.

@emilytroutman [9] no nanokatra ny sehatra raha nandefa tweet hoe:

VAOVAO MAFANA: Notaterin'i Radio Caraibes fa  hosamborina androany i [10]#Babydoc [10]. Mihidy mafy ny fiarovana ny hotely. #Haiti [10]

Fotoana fohy taorian'izay, @kiskeacity [11], mponin'ny aterineto any ampielezana, dia nanomboka namerina namoaka tamin'ny tweet ireo fanavaozam-baovao avy amin'i @jacquiecharles [12], solontena irain'ny Miami Herald, izay nohelohin'i @RAMHaiti ho tsy manamarina mihitsy ny zava-misy [13]. Kanefa, i @jacquiecharles dia manavao matetika ireo tweets alefany:

Manamboninahitra dimy amin'ny HNP (polisim-pirenena Haitiana) no hita tany Karibe. Nizotra ho an'ny an'efitranon'i  Duvalier. #haiti #elections [14]

Tonga eto hana fisamborana ve ry zareo ireto? Izany no teny re. #haiti #elections [15]

Miaramila roa avy amin'ny HNP, mirongo fiadiana no niakatra ny rihana taorian'ny nidinan'ny farany tamin'ireo  manamboninahitra. #haiti #elections [16]

Miaramila enina mirongo fiadiana avy amin'ny SWAT Haitiana no nitsambikina tao aorian'ny fiara tsy mataho-dàlana iray. Sahala amin'ny fanarian-dia no fahatsapanay azy, nefa inona no antony? #haiti #elections [17]

Vao tonga mihitsy ny Lehiben'ny Fampanoavana sy ny mpitsaran'ny filaminana. #haiti #elections [18]

Na ilay mpitsara Gabriel Ambroise na ny Lehiben'ny Fampanoavana Aristides samy tsy te-hilaza raha manana taratasy fampisamborana izy ireo na tsia. Polisy maromaro  kokoa. #haiti #elections [19]

ny HNP tsy hiteny raha misy tokoa taratasy fampisamborana, nilazàna fotsiny izy ireo handefa polisy hanamafy ny fiarovana ilay hotely. #haiti #elections [20]

Tsy ela taorian'izany, toa sahala amin'ny hoe  nandefa antso ho ana mpisolovava ara-dalàna [21] i Duvalier:

@jacquiecharles [12]: #Haiti Tonga ny mpisolovava Reynold Georges. Lazaina koa fa an-dàlana i Gervais Charles. Efa an-taona maro i  Charles no tsy nisolovava an'i JCD. #haiti #elections [22]

Hatreto aloha, tsy misy afaka manamafy na iray aza raha tena voasambotra tokoa i [23]Duvalier [24]. Ny hita hatramin'izao dia, tamin'ny 1:10 folakandro,  nivoaka izy [25] avy ao amin'ny hotely ary nohodidinin'ny polisy efa ho ora roa izay, ary angamba noho ny antony nambaran'i @carelpedre [26] tamin'ny tweet:

Jean Claude Duvalier sy ireo Mpisolovava azy dia ho any amin'ny Fitsarana ao Port-au-Prince mba hanohy ny fakàna am-bavany. #babydoc [27]

Sahala amin'ny resy lahatra i @carelpedre fa hoe:

Toa sahala amin'ny tena nisy ihany ilay fisamborana an'i Jean Claude Duvalier taorian'ny fihaonany voalohany tamin'ny fitsarana Haitiana [28]

Na dia nanao “hetsika manohitra ny fisamborana azy” [29] aza ireo mpomba an'i Duvalier, mbola mitoetra ho manjavozavo ny andinindinin'ny fihazonana azy hatramin'izao.

Nanamafy izany indrindra i @carelpredre:

Jean Claude Duvalier, ny manodidina azy & ary ireo mpisolovava azy dia samy mandao ny Hotely Karibe izao. Mizotra ho any amin'ny “Parquet” izy mba hanontaniana misimisy kokoa. [30]

Global Voices dia hanohy hanaraka ny fivoaran-draharaha ary hamoaka fanavaozam-baovao isaky ny misy azo atolotra.