UPDATE: 7:23 pm AST – @kiskeacity nandefa tweets fa hoe i ‘Baby Doc’ #Duvalier dia voaheloka momba ny kolikoly ao Haiti http://ht.ly/3G5s4#BabyDoc
UPDATE: 4:15 pm – An-dàlana hody any amin'ny hoteliny i Duvalier; toa hiresaka amin'ny media atsy aroriana kely.
UPDATE: 2:05 pm – Voalaza fa toa tonga any amin'ny “Parquet” ny ‘cortège’.
Efa talohan'ny tamin'ny iraikambinifolo ora io maraina io, rakotry ny sahoan-dresaka ny Twitter fa hoe i Jean-Claude “Baby Doc” Duvalier, ilay mpanao jadona taloha voaozona nitsoak nialokaloka tany Frantsa ary niverina tampoka tany an-tanindrazany tamin'ny Alahady alina, dia tratry ny fepetra fampisamborana.
@emilytroutman no nanokatra ny sehatra raha nandefa tweet hoe:
VAOVAO MAFANA: Notaterin'i Radio Caraibes fa hosamborina androany i #Babydoc. Mihidy mafy ny fiarovana ny hotely. #Haiti
Fotoana fohy taorian'izay, @kiskeacity, mponin'ny aterineto any ampielezana, dia nanomboka namerina namoaka tamin'ny tweet ireo fanavaozam-baovao avy amin'i @jacquiecharles, solontena irain'ny Miami Herald, izay nohelohin'i @RAMHaiti ho tsy manamarina mihitsy ny zava-misy. Kanefa, i @jacquiecharles dia manavao matetika ireo tweets alefany:
Tonga eto hana fisamborana ve ry zareo ireto? Izany no teny re. #haiti #elections
Vao tonga mihitsy ny Lehiben'ny Fampanoavana sy ny mpitsaran'ny filaminana. #haiti #elections
Tsy ela taorian'izany, toa sahala amin'ny hoe nandefa antso ho ana mpisolovava ara-dalàna i Duvalier:
@jacquiecharles: #Haiti Tonga ny mpisolovava Reynold Georges. Lazaina koa fa an-dàlana i Gervais Charles. Efa an-taona maro i Charles no tsy nisolovava an'i JCD. #haiti #elections
Hatreto aloha, tsy misy afaka manamafy na iray aza raha tena voasambotra tokoa i Duvalier. Ny hita hatramin'izao dia, tamin'ny 1:10 folakandro, nivoaka izy avy ao amin'ny hotely ary nohodidinin'ny polisy efa ho ora roa izay, ary angamba noho ny antony nambaran'i @carelpedre tamin'ny tweet:
Sahala amin'ny resy lahatra i @carelpedre fa hoe:
Na dia nanao “hetsika manohitra ny fisamborana azy” aza ireo mpomba an'i Duvalier, mbola mitoetra ho manjavozavo ny andinindinin'ny fihazonana azy hatramin'izao.
Nanamafy izany indrindra i @carelpredre:
Global Voices dia hanohy hanaraka ny fivoaran-draharaha ary hamoaka fanavaozam-baovao isaky ny misy azo atolotra.