- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tonizia: Tratry ny fijirihana koa ny bilaogin'ingahy Minisitry ny Raharaham-bahiny Toniziana Kamel Morjane ?

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Tonizia, Fanoherana, Politika, Vaovao Mafana

Toa ohatran'ny hoe tsy ny Toniziana mponina amin'ny aterineto ihany no mampiasa ny aterineto mba hitabatabana sy hanaovana izay hahafantarana ny toe-javatra iainan-dry zareo… na angamba tsy izany.

Miparitaka toy ny lelafo ato anatin'ny aterineto ny tsaho,  minitra vitsivitsy taorian'ny nivoahan'ny lahatsoratra iray, heverina ho nosoratan'ny Minisitry ny raharaham-bahiny Toniziana Kamel Morjane tao anatin'ny bilaoginy. nampahafantarany ny fametraham-pialàny [1].

Hita ankehitriny fa tsy marim-pototra ilay taratasy fametraham-pialàna, ary nisy nisompatra ilay bilaogy.

Taorian'ny nipariahan'ilay lahatsoratra momba ilay vaovao fametraham-pialàna, niantso fahamailoana  ireo mpampiasa Twitter alohan'ny hanekena ilay vontoaty ho tena marina, indrindra indrindra taorian'ilay vaovao momba ny fanonganam-panjakana [2] tao Tonizia tsy ela akory izay ny Alarobia maraina, izay voaporofo avy eo fa tsaho.

Ny mpikambana ao amin'ny Twitter dia mitandrina tsara amin'ny fandraisana ny voalaza ao amin'ny bilaogy ho tena marina, indrindra indrindra moa taorian'ny nampahafantarana fa tsy marina ny  vaovao mikasika ny fanonganam-panjakana [2] tao Tonizia tamin'ny Alarobia teo.

Tao anatin'io noheverina ho fametraham-pialàny io dia nanoratra i  Morjane:

Ambarako etoana ny fametraham-pialàko amin'ny fomba ofisialy amin'ny maha Minisitry ny raharaham-bahiny ahy tao amin'ny governemanta Toniziana. Ezaka farany handraisako ny andraikitro ny fangatahana amin'ny fianakavian'ireo martiora Toniziana maty mba handray ny teny fampiononako izay avy amin'ny fo sy  handray ny alaheloko lalim-paka manoloana ny voina iraisan'izy ireo. Raisiko ho adidy ny laha-piainan'ny vahoaka Toniziana taorian'ny nanambadiako ny iray tamin'ny zanaka vavin'ny iray tamin'ireo  zana-drahalahy voalohan'i Ben Ali, sy ny nahatafiditra ahy tao amin'ny fianakaviana ary koa naha-mpikambana ahy tao amin'io vondron-dry zareo io. Tsy mampirehareha ahy ny fianakaviako, ary ambarako marina, fa vonona hotsaraina any amin'ny tribonaly tahaka azy ireo tsy maintsy hotsaraina koa aho. Ity no andraikitra raisiko farany ho an'ny vahoaka Toniziana, miaraka amin'ny fanantenana hoe nohon'ny fametraham-pialàko dia mba hiantra ahy sy ny fianakaviako ny vahoaka eto Tonizia

Tao  amin'ny Twitter, nisy sahotaka nipoaka, ny sasany amin'ireo mpampiasa dia  mankalaza ny antsoin'izy ireo hoe: fiatombohan'ny fiafaràn'ny fitondram-panjakan'i Bin Ali, ary ny sasany amin'ireo dia miantso fitandremana – izay tsy nisy dikany raha tsy taorian'ny fipariahan'ny vaovao momba ilay  fanonganam–panjakana [2] ny Alarobia vao maraina izay voaporofo fa tsaho
Tsy nino io lahatsoratra io i Zizoo avy any  Djerba (Zizoo from Djerba) ary nandefa tweets [3]:

Toa ohatran'ny fandrebirebena olona io fametraham-pialàn'i Morjane io. http://goo.gl/eJKic [4] feno tsipelina diso ary tsotra kely ny voambolana nampiasaina tao anatin’ ilay lahatsoratra amin'ny teny arabo #sidibouzid [5]

Nanampy [6] izany i Marc Lynch (abuaardvark):

Samihafa ny taratasy  fametraham-pialàn'i Morjane Minisitry ny Raharaham-bahiny Toniziana amin'ny teny  Arabo+ Anglisy; miandry olona hifandray aminy  http://bit.ly/aqFoGu [7]

Ary  nilaza [8] i Brian Whitaker  [8]:

Mety ny iray amin'ny mpiara-miasa aminy no namorona io bilaogin'i Morjane io; ary mety tsy afaka miditra amin'io akory  aza izy. #sidibouzid [5]

Kely fanantenana [9] i The Arabist avy any Ejipta:

Somary kely fanantenana aho rehefa namerina namaky ilay fanambarana mikasika io fametraham-pialàny io amin'ny teny Frantsay sy Arabo . Manolo-tena ho tsarain'ny tribonaly nohon'ny fanaovany didy jadona  ve izy?

toa an'i Mona Eltahawy, izay nandefa tweet hoe [10]:

Manantena aho fa marina io fametraham-pialàn”i Morjane  io satria mety hahafinaritra ny mahita praiminisitra iray maka ny toeran'ny vahoaka na dia indray mandeha fotsiny aza. #Sidibouzid [11] Faniriana sy fanantenana avokoa ireo!

Tsy mino [12] i Samira Abed

Tsy mino an'io ny Toniziana satria tsy nahazatra azy ireo ny fihetsika feno herim-po toy izany avy amin'ireo mpanao politika 🙂

Nitondra ny  fanambiny [13] ilay Toniziana Sami ben Gharbia :

Raha ny tokony ho izy, dia tokony hiala amin'ny toerany i Kamel Morjane raha toa ka te hitazona ny voninahiny. Tsy maintsy handeha i Ben ALi  na amin'ny fomba ahoana na amin'ny fomba ahoana, resaka andro vitsivitsy fotsiny sisa #sidibouzid [5] (izany no fanambiko)

Taorian'io fientanentanana io dia nampitandrina ny tao amin'ny tweets .

Nilaza tamin'ny tweet [14] i Eltahawi

Ny nambaran'ny mpikambana tao amin'ny Twitter – taorian'iny tsahona fanonganam-panjakana nandritry ny andro vitsivitsy  iny, dia aleo hitony kely isika. Samy maniry ny hialan'i Morjane &  ny handehanan'i   #BenAli [15] avokoa isika rehetra  fa aleo aloha hamarinintsika izany

Nahatsikaritra [16] i Whitaker:

Hitako hafahafa ilay taratasin'i Morjane amin'ny teny Anglisy. Raha lazaina amin'ny teny hafa dia  mino aho fa fandrebirebena olona io. #sidibouzid [5]

Ary nanamafy [17] i the arabist avy any Ejipta hoe fandrebirebena olona tokoa io:

tao amin'ny @tunivisions [18], nolavin'ny minisiteran'ny raharaham-bahiny ny fametraham-pialan'i Kamel Morjane . Mbola hitohy…

Nisy  lahatsoratra iray [19] nivoaka tao amin'ilay bilaogy, nanamafy fa tena voasompatra tokoa ilay izy. Ity sary lehibe ity (Fr) dia mivaky toy izao:

Ny sary lehibe ao amin'ny bilaogin'i Morjane

Mba halalaka isika miteny,
hahazo vaovao
hamoaka lahatsoratra
hitety vohikala
haneho hevitra
hifidy izay ho solombavambahoakantsika
hanangana fandraisan'andraikitra ara-politika
Tsy maintsy MITAMBATRA sy MIJORO isika

Araho hatrany raha te hahafantatra  misimisy kokoa avy any amin'i  Tonizia.