- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Jordania: Fanehoan-kevitra noho ny fanalàna an'i Ben Ali avy amin'ireo ‘Jordaniana Tezitra’

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Jordania, Tonizia, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Toekarena sy Fandraharahàna

Ny fanoherana tao Tonizia naharitra am-bolana maro noho ny olana ara-toekarena sy ny fanitsakitsahana ny zo, nitarika hatramin'ny fandosiran'ny Filoha  Zine El Abidine Ben Ali niaraka tamin'ny fianakaviany ho any Arabia Saodita, nametraka [1] ho eo amin'ny toerany ny Praiministra Mohammad Ghannouchi. Io andro io ihany, dia nanao ny “Andron'ny Hatezeran”-dry zareo ny Jordaniana, manohitra koa ny sondro-bidim-piainana sy  ny adin-tsainy manoloana ny ara-toekarena tsy mandroso tsy mihemotra. Raha vao nandre ny fialàn'i Ben Ali, naneho hevitra an-karavoana ireo Jordaniana. Mahmoud Lattouf nanoratra [2] hoe:

http://bit.ly/hPVdCj للشعب التونسي.. شكرا #SidiBouzid #Tunis #Tunisia
Ho an'ny vahoakan'i Tonizia… misaotra anareo.

Ashraf Shakah faly tsy nisy toy izany [3]:

tsy islamika na Farany havia, tsy natosiky ny “Tandrefana” na novolavolain'ny CIA, fa tsotra fotsiny #Tonizia #Afaka #SidiBouzid

Ny hafa tonga dia nampifandray ny zava-nitranga tao Tonizia amin'ireo sisa any amin'ny tontolo Arabo. Wael Attili [4] niteny:

Anatra avy amin'ny tantara: Leo hadalàna!! Ho an'ny fanjakàna Arabo rehetra, raha mampanantena fanavaozana ianareo, tsara ho anareo ny manatanteraka an'izay. #Tunisia #Arab

Ary ny hafa mampifandrohy [5] mazava tsara ny zava-nitranga amin'izay misy any Jordania, amin'ny fakàna ho ohatra ny Praiministra Jordaniana Samir Al-Rifai. Ao anatin”izay, tsy mangataka  ny hanovàna ny fitondran'olon-tokana ireo  Jordaniana mpampiasa twitter, fa fijerena bebe kokoa ny resaka fisondrotam-bidy, ary amin'ny zavatra sasany, fanovàna ny governemanta tarihan'i Al-Rifai:

Bin Ali azonao entina miaraka aminao ve i  samir alrifai azafady ? #angryjordan #betterjordan #jo #amman

Hana Al-Moghrabi nanoratra [6]:

@forbes19 nànana ny andron'ny hatezeranay izahay teto Jordania. Satria Eny tezitra izahay. Miova ny endrik'i MENA ( Middle East and North Africa – Afovoany Atsinanana sy Afrika Avaratra)  #JO #AngryJordan #Tunisa no fiantombohany

Yassar Burgan nanentana [7] mba ho mailo:

aoka isika tsy ho entin'ny fikoropahana ka hanafangaro zavatra! Lalaina sy hajaina ny fahaiza-mitarika ao #Jo . Manerana izao tontolo izao ny fahasahiranana ara-toekarena.

Hoy izy nanampy [7]:

@LahibBaniSakher Tsy afaka hangataka fanampiana misimisy kokoa sy hetra ambany ny vahoaka raha toa ka voafetra ny loharanon-karen'ny firenena. #Jo tsy ho i #KSA @octavianas

Fanehoan-kevitra iray hafa mikasika ny fanovàna ny governemanta ao Tonizia no avy amin'ny Mpanjakavavy Rania al-Abdullah, izay nandefa  tweet hoe [8]:

Mijery akaiky ny fivoaran-draharaha any #Tunisia ary mivavaka ny mba hisian'ny fitoniana sy filaminana ho an'ny vahoakany.

Mitohy manaraka ny resaka ao amin'ny twitter momba ny #sidibouzid ry zareo Jordaniana (fandrakofana ny zava-mitranga ao Tonizia), sahala amin'ny fanarahany ny tenifototra #angryjordan izay azy ireo manokana.