- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Arabia Saodita: Fandosirana, ny Filoha Tonisiana Teo Aloha Ben Ali Niantsona any Arabia Saodita

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Arabia Saodita, Tonizia, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fifindràmonina, Fitantanam-pitondrana, Politika, Vaovao Mafana, Zon'olombelona

Ny Zoma, fotoana fohy taorian'ny nandosiran'ilay azo lazaina hoe Filoha-teo-aloha  Zine El Abidine Ben Ali an'i Tonizia, ireo mpitoraka bilaogy sy mpampiasa Twitter dia nanomboka resaka [1] mikasika ny toerana hiantsonan'ny fiaramanidiny. Ny sasany naka sary an-tsaina ny hoe any Frantsa izy no hitodi-doha, raha ny hafa kosa nihevitra ny Emira Arabo Mitambatra no ho fitodiany farany. Fa rehefa tena nivoaka ny fandehany,  ny fitodina faran'i [2]Ben Ali dia i Arabia Saodita–dia ilay firenena nampiantrano an'ilay mpitiondra jadona Ogande Idi Amin [3] taorian'ny nirodanan'ny fitondrany.

@ollieleach [4] nandray [5] avy hatrany:

Hay mialoka any Arabia Saodita ny Filohan'i Tonizia. Naka ny fomban'i Idi Amin mano sesitany… mahaliana.

@weddady [6], mahamarika firehana ao amin'ny Twitter, dia nanao fanehoan-kevitra [7] tamin'ny valin-kafatry ny vahoaka Saodiana momba ny fahatongavan'i  Ben Ali any amin'ny tanin-dry zareo:

Mahaliana: mandefa tweets ireo  #Saudi [8] ao amin'ny twitter mangataka ny governemantan-dry zareo tsy handray an'i Ben Ali rehefa nandre siosio mikasika ny hahatongavany any #sidibouzid [9]

Ny marina, ireo Saodiana mpampiasa twitter dia dia samy namoaka mikasika ny eritreriny daholo. Nanamafy i [10] @radicalahmad [11] :

Ry vahoaka malala ao  #TUNISIA [12]: avy aty #saudi [13] aho ary manome toky anareo aho fa ny fandraisana an'i#benali [14] hipetraka eto #jeddah [15] dia tsy sitrakay akory #NOTINMYNAME [16]

@Dima_Khatib [17] nampahatsiahy an'ireo mpanaraka azy [18] fa ny fanapahan-kevitra handray an'i  Ben Ali ao Arabia Saodita dia tsy avy amin'ny vahoaka Saodiana:

Miangavy ry zalahy a, averiko indray. Tsy misy tokony hanenjehana an'i Saodiana noho ny nandraisana an'i Ben Ali. Tys manan-draharaha velively amin'izay fanapahan-kevitry ny fianakavian'ny mpanjaka ry zareo #Saudi [8]

Farany, i Saudi Jeans, mpitoraka bilaogy, miara-mankalaza amin'ny Toniziana, dia naneho ny tsy fahafaliany [19] noho ny fanapahan-kevitry ny fireneny handray an'i Ben Ali:

Ny androany dia andro goavana, goavana ho an'i Tonizia. Taorian'ny efatra herinandro nanoherana teny an-dalambe, nandositra ny fireneny ny filoha Zine el-Abidine Ben Ali. Ity angamba no voalohany nahitan-tsika maso mpitondra Arabo iray naongan'ny vahoakany ihany. Tena faly ho an'ireo vahoaka Toniziana, and tena mirehereha noho ny amin'izy ireo. Mientanentana manokana ho an'ireo namako  Sami bin Gharbia [20] sy Slim Amamou [21], izay niasa tsy nitandro hasasarana nandritry ny taona maro mba hahita io andro io. Ny zavatra tokana manahiran-tsaina ahy dia i Arabia Saodita nandray ilay jadona voahilika mba hahita fialofana any amin'ny tany niavianay. Saingy hatreto aloha, ndeha fotsiny hiainana ity vanim-potoana manan-tantara ity. Eto ho toy ny ‘effet domino’ manerana an'i Moyen Orient (Faritra Afovoany Atsinanana).