Rehefa mijery ny Twitterfeed-ko, dia toa ny tsirairay no hihevitra fa efa ela ny tontolo Arabo no niandry ity andro ity. Niteraka koronana teo anivon'ny aterineto ireo Tweets nankalaza ny lositry [1] ny filoha Toniziana Zine El Abidine Ben Ali avy tao Tonizia.
Ho an'i Bader Al Aujan, avy ao Arabia Saodita, andro iray mampirehareha io [2]:
Ary ilay Saodiana Mohammed Al Dugailbi dia ravo tsy nisy toy izany [3]:
Dima Khatib manao fampitahana amin'ny fibodoana na fanafahana an'i Iràka, ary miteny [4]:
Antenaiko fa tsy ho tototra loatra Ing. George Bush ao amin'ny ‘ranch-ny’ ao ka hahita ny fomba marina ataon'ny vahoaka mba hoafa-patorana. Tsy ilàna akory an'ireo tafika vahiny tsy mahay mionona ireo #sidibouzid [5] #Bush [6]
Youssef Chaker manentana [7] an'ireo Toniziana mba hanohy hatrany ny dia:
#Tunis [8], aza manolo jadona amin'ny iray hafa… Tohizo ny làlana ary vitao ny asa.
Avy any Bahrain, Hashim Alawi dia mandefa tweets [9]:
Yacoub Slaise manamarika [10]:
Antenaina fa nahavita ny enti-modiny ry zareo Toniziana ary namaky ny ‘Animal Farm’, mba tsy hifarana toa an'io “Napoleon” io #Tunsia [11] #sidibouzid [5]
Ary mamaly i [10] Bahrainman :
Nanana “Napoleon” iray i Tonizia, ary leo azy io ry zareo. NIAINA ny ‘Animal Farm’ nandritry ny 23 taona ry zareo!
I Mahmood Al Yousif miteny [12] amin'ireo Toniziana mba hanararaotra ny fandresena azony, farafaharatsiny na dia andro iray ihany aza:
tsinjoko ho misy sahady ve ny nenina any anatin'ireo tweet sasany avy ao #tunisia [13] ankehitriny? tsy naharitra ela izany! mitsangàna, mitsikia ary mba manam-panantenana na dia ho anio fotsiny aza!
Majda72 koa dia mandefa tweet [14] iray manokana :
Fanamarihana ho an'ny Tandrefana, tsy fisafoahana Islamika akory iny! Raiso ny fomba fitsaratsarànareo ny tontolo Arabo ka alenteho any am.. . #sidibouzid [5]
Tao anatin'izay azo heverina ho revolisiona nampiasana ny twitter, ilay Ejiptiana mpanoratra, Mona ElTahawy, dia mampahatsiahy antsika [15]:
#Twitter [16] tsy nitondra ny #JasminRevolt [17]. Ny fanoherana nataon'ireo #Tunisians [18] nanam-pahasahiana. Twitter nanome antsika – ny tontolo – ny toerana ery anoloan'ny sehatra. #Sidibouzid [19]
Ary i Sameer Padania nanamarika [20]:
Miandry fatratra ilay andro iray hisian'ny rovolisiona nokatsahina hatry ny ela & tsy hahatsapan'ny tsirairay fa hoe noho ny tanjaky ny teknolojia izany.
ElTahawy koa manampy [21]:
Tanatin'ny #29andro [22] ny hetsika tamin-pahasahiana'ireo #Tunisians [18]‘ dia nampidaraboka an'i #BenAli [23], mpitondra jadona nandritra ny 23 taona. Revolisiona voalohany indrindra taorian'ny fanjanahantany teo amin'ny tontolo #Arabo [24] #Sidibouzid [19]
Ahmad Fahad, avy any Oman, tsy mahavita intsony mamily ny sainy handao ny Twitter [25]:
Fomba ahoana moa izany izao no heveriko hahafahako miasa raha ny governemanta aza voaongana amin'ny alàlan'ny Twitter?
Ary i Andy Carvin manampy [26]:
Tiako fotsiny ny endrika niofoan'ilay fifanakalozan-dresaka mikasika an'i #sidibouzid [5] sy ny hoe misy ireo olona mamaky ny lalampanorenana Toniziana amin'ny antsipirihany.
Egyptian Ahmad Badawy manantena fa ny zavcatra henjana nanomboka tao Tonizia dia tsy mitsahatra eo. Mandefa tweets izy [27]:
Manaraha mandrakariva ireo rako-baovao avy any Tonizia.