- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Malezia: Mamaly Fanontaniana ao amin'ny Twiter ny Praiministra

Sokajy: Azia Atsinanana, Malezia, Fitantanam-pitondrana, Politika, Teknolojia

Ny Praiminisitra ao Malezia, Najib Razak, dia nanambara tao amin'ny kaonty Twitter-ny [1] fa hamaly izay fanontaniana apetraky ny vahoaka ka nalefa teo anelanelan'ny  4.30 tolakandro sy 6 ora hariva tamin'ny Talata lasa teo, ary nampiasàna ny tenifototra #tanyanajib [2], izay midika hoe ‘anontanio an'i Najib’ amin'ny teny Malay. Tao ho ato, ny Praiministra dia nampiasa ny media sosialy toy ny bilaoginy, pejy Facebook ary kaonty  Twitter mba hifandraisana amin'ny vahoaka, nahitàna fifamoriana [3] iray niarahana tamin'ireo  ‘namany any anaty aterineto’.

Haingana be dia lasa lohahevitra nifanakalozana tao amin'ny Twitter ilay izy, nahitàna olona maro nanontany ny Praiministra mikasika andian'olana maro.

Elaine Daly [4], olo-malaza Maleziana, dia nandefa tweet

Raha Malezia tokana isika, nahoana no mbola tsy maintsy misy faritra famantarana ‘foko’ tsy maintsy marihantsika? Miala avy any amin'ny ‘dan lain-lain’ (foko hafa ao anatin'ny Malay, Sinoa na  Indiana) toa ahy

(Amin'ny taratasy ofisialy maro, asaina milaza ny foko niaviana ry zareo Maleziana- Malay, Sino, Indiana na Hafa)

Jia Liang [5], nanontany hoe

Heverinao ve fa ho betsaka ny vola hatokana ho an'ny fanatanjahantena eto amin'ny firenentsika? Efa nanao ezaka mahabe fanantenana izahay.

Shisheewady [6] nanontany hoe

di KL sdg sibuk dgn projek MRT.bila agaknya LRT akan dibina di kuching?kesesakan lalu lintas semakin teruk di sini.

(Rahoviana ny Light Rail Transit [LRT] fitateram-bahoaka hatao ao Kuching, Sarawak sahala amin'ny tetikasa Mass Rapid Transit [MRT] atao amin'izao fotoana any Kuala Lumpur?  Efa tena miharatsy be ny fifamoivoizana eto.)

Qiwenism [7], etsy ankilan'izany, dia nanararaotra ilay fotoana mba hanakianana ireo Maleziana nandefa fanontaniana tsy dia misy dikany loatra sy somary saropady.

Tokony hahay mandray ny vintany afaka miteny ny Maleziana, fa tsy hampiseho ny hamaivanan-tsaina sy tsy fahamatoran'ny Maleziana akory…

Ilay vavahadim-baovao Malaysiakini koa dia nanasongadina [8] ny sasantsasany tamin'ireo tweets nalefa:

@aleffush: Inona no ao anatin'ny volon'i Rosmah?

@dawsydozz: Inona no tsiambaratelo fonosin'ireo molotrao mavokely toa voankazo masaka ireo?

@idzwan88: Tsy dia manampahaizana manao ahoana aho ka hametraka fanontaniana milay be amin'i Najib saingy tsy handany fotoana an'i Najib aho hilaza tena ho ny tena faratampony ka hanao fanontaniana adala! Mbà olon-dehibe!

@dearfirdaus: Nahoana ny Maleziana no mitondra tena toy ny babakoto? Jereonao fotsiny ao amin'ny  #tanyanajib. Ny faharatsian'ny fanabeazana ve no nahatonga izao?

@jayong28: Nahoana ny mpianatra eny amin'ny anjerimanontolo no tsy mahazo miditra amin'ny resaka politika nefa zazakely 14 taona aza mahazo alàlana manambady?

@bluswhitehat: Ho vitanao ve ny hamaly ireo fanontaniana rehetra ireo?

Thomas Chai, mpitoraka bilaogy koa, dia nanasongadina [9] sasantsasany tamin'ireo fanontaniana napetraka, ary manantena fa hamaly tokoa ny fanontaniana tsirairay ny Praiminisitra.

Betsaka ny fanontaniana tsara tao, nalefa tweet miaraka amin'ny sasany tsy dia misy ilàna azy loatra ary ny sasany tena mahatsikaiky ka manantena aho fa hanokana ampahany amin'ny fotoanany ny Praiministra hamaliana an'ireo fanontaniana sarotra nefa mitombina, raha tena te-hampivoatra zavatra eto amin'ny firenena tokoa izy.

Ankoatry ny tao amin'ny Twitter, dia namaly koa ireo fanontaninaa napetraka tao amin'ny pejy Facebook-ny ny Praiminisitra. Amin'izao fotoana, na izany aza, dia efa mikatona ny amin'iny.

Atoa. Najib koa tsy mbola nanomboka namaly ireo fanontaniana, sady tsy mbola niteny hoe rahoviana no heveriny hanaovana izany.