- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Libanona: Mpikambana iraikambinifolo tao amin'ny Kabinetra nametra-pialàna, governemanta voaongana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Libanona, Ady & Fifandirana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fitantanam-pitondrana, Tantara, Vaovao Mafana
The fifth anniversary of the assassination of Rafik Hariri [1]

Herintaona lasa izao, nandritra ny firohotana nankalazana ny faha-5 taona nahafatesan'i Rafic Hariri. Photo © Demotix Deen Sharp

Vaovao lehibe maro avy amin'ny tontolo Arabo no azo tamin'ity hariva ity satria toa hoe hirodana ny governemanta Libane, nanaraka ny fametraham-pialàn'ny mpikambana 11 tao amin'ny kabinetra. Ireo mpikambana ao amin'ny kabinetra, ny mpikambana rehetra na ireo mpiara-dia amin'ny Hezbollah, dia nametra-pialàna noho ny tohankevitra avy amina tatitra iray nataon'ny Firenena Mikambana mikasika ny famonoana an'ilay praiminisitra Libane teo aloha, Rafiq Hariri [2], Al Jazeera nitatitra hoe [3].

Mailaka mihitsy ny mpitoraka bilaogy sy ny mpampiasa Twitter nanangona ny vaovao, tonga dia nilaza izany vantany vao nipoaka ny tati-baovao voalohany azo avy any Libanona. Ny solontenan'ny Al Jazeera, Dima Khatib (@dima_khatib [4]) nandefa tweet [5] nanodidina ny tamin'ny 6 ora hariva, ora ao Beirut:

Efa ofisialy izao fa nitontona ambany ny governemanta Libane, very ny fetr'isa noferan'ny lalàna, satria ao amin'ny Trano Fotsy miaraka amin'i Obama i M. Hariri . #Lebanon [6]

Fotoana fohy taorian'ny tweet nalefan'i Dima, nitoraka bilaogy [7] i Chan Bhatia ao amin'ny Chicks Gone Tech :

[Vaovao navaozina tamin'ny 11:13 a.m.] [Fanamarihan'ny mpamoaka lahatsoratra: EST] Nirodana ny governemanta fampiraisam-pirenena Libane tamin'ny Alarobia taorian'ny nametrahan'ny Minisi-panjakana Adnan Sayyed Hussein ny fialàny, mpikambana faha-11 nanao toy izany.

Tsy ela ho an'ireo Libane “mpitoraka tweets” ny nanomboka nizara ny eritreriny sy fomba fijeriny tao amin'ny Twitter. @LebaneseVoices [8] nanamarika [9] tanaty tweets roa:

governemanta na tsy governemanta, tsy mbola manana rafitra foana isika #Lebanon [6]

governemanta na tsy governemanta, mbola hanana herisetra miverimberina ataon'ny fiaramanidina israeliana foana isika eny amin'ny habakabatsika. #Lebanon [6]

@Emile_Hokayem [10] naneho hevitra [11] momba ny fahitàna ilay fametraham-pialàna:

Nifidy ny hametra-pialàna ny minisitra avy amin'ny mpanohitra raha mbola tany Washington ny PM Hariri. Nifidy ny tsy naha-teo azy mba hilazàna fa tsy miraharaha an'i Libanona izy.

Ny sasany tao amin'ny Twitter, toa an'i @LSal92 [12], dia nandray fomba fijery somary masiatsiaka mikasika ny raharaha mitranga amin'izao fotoana eo amin'ny tantaran'i Libanona, mandefa tweet [13]:

Ka dia tsy manana governemanta indray ve izany isika? Dia inona no vaovao? #Lebanon [6]