- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Sodana: Endrika mirana sy rantsan-tànana feno ranomainty

Sokajy: Afrika Mainty, Sodàna, Fifidianana, Politika

Alun McDonald [1] sy David McKenzie [2] dia manao fanavaozam-baovao matetika ny kaonty twitter-ndry zareo avy any Sodana Atsimo, toerana izay nandraisan'ireo mpifidy anjara tamin'ny fitsapan-kevibahoaka [3] iray mikasika ny hoe, na hijanona ho ao anatin'i Sodana ihany, na hizaka tena ny faritra.

Ora 5 nilaharana [4] ho anà mpifidy zara raha misy.

Mpifidy zara raha misy fotsiny amin'izao fotoana izao no ao amin'ny Moze John Garang. Filaharana nandritra ny ora  5 tamin'ny Alahady, izao miditra dia mivoaka afaka 5 mn #Sudanref

Mpifidy iray miaraka amin'ny tongony iray rotiky ny bala [5]:

Mpiady tranainy iray eo amin'ny 70 taona eo miaraka aminà tongotra iray rotiky ny bala no iray isan'ny nifidy voalohany. “Izaho tsy maintsy …Izaho tsy maintsy, na dia misy izao fahasahiranana izao aza.” #sudanref

Fidio ny halalaka [6] ka ataovy veloma ny Avaratra:

Nifanena taminà namana fahiny avy any Khartoum tao an-tsenan'i Juba – niverina nody mba “hifidy ny halalaka & hanao veloma ny Avaratra” fotsiny izy

Rosiana iray monina eto, manendy ny atodiny tao aminà trano fisakafoanana iray ao Juba [7]:

Rosiana iray monina eto Juba, manendy ny atodiny nandritra ny ora fisakafoanana maraina, mitazam-potsiny ilay Keniana Lehiben'ny mpahandro: mahalatsaka #sudan

Mpifidy maro efa feno 70 taona: [8]

http://twitpic.com/3op0iw – Vao maraina be ireto olona efa 70 taona ireto no tonga nifidy nanamorona ny Nil fotsy androany #sudanref

[9]

mpifidy efa ho 70 taona tao Sodana Atsimo. Sary natolotr'i David McKenzie

Endrika mirana sy rantsan-tànana feno ranomainty [10]:

Miverina ao Juba ho anà endrika mirana sy rantsan-tànana feno ranomainty #Sudanref

Toy inona raha i [11]John Garang [12] no mbola velona teo?:

Ho toy inona re ny fahasamihafàn'ity herinandro ity raha mbola velona teo i John Garang e – mety ho nikatsaka ny firaisam-pirenena ve isika? #Sudanref #Sudan

Fijoroana vavolombelona avy amin'ny mpifidy

Kathy [13]:

Kathy, nifidy niaraka tamin'i Duku zanany: “Tiako tsy hijaly ny zanako. Mifarana miaraka amiko ny fijaliana.” #sudanref

Hakim [14]:

Hakim, teny an-tsambo nandritry ny 12 andro avy any Khartoum, “Toerana ahy manokana io, fireneko ahy manokana, tsy maintsy miverina mba hiaraka amin'ny vahoakako aho.”

Petronella [15]:

Petronella, vao haingana no niverina avy any an-tsesitany: ” Nanome ahy ny maha-olona ahy io. Nampiseho tamiko fa manana firenena niaviana aho ankehitriny.” #sudanref