13 Janoary 2011

Tantara tamin'ny 13 Janoary 2011

Libanona: Mpikambana iraikambinifolo tao amin'ny Kabinetra nametra-pialàna, governemanta voaongana

Vaovao lehibe maro avy amin'ny tontolo Arabo no azo tamin'ity hariva ity satria toa hoe hirodana ny governemanta Libane, nanaraka ny fametraham-pialàn'ny mpikambana 11 tao amin'ny kabinetra. Ireo mpikambana ao amin'ny kabinetra, ny mpikambana rehetra na ireo mpiara-dia amin'ny Hezbollah, dia nametra-pialàna noho ny tohan-kevitra avy amina tatitra iray nataon'ny Firenena Mikambana mikasika ny famonoana an'ilay praiminisitra Libane teo aloha, Rafiq Hariri

Malezia: Mamaly Fanontaniana ao amin'ny Twiter ny Praiministra

  13 Janoary 2011

Ny tenifototra #tanyanajib, izay midika hoe ‘anontanio an'i Najib’ amin'ny teny Malay, dia lasa lohahevitra ifanakalozana ao amin'ny twitter tamin'ny Talata lasa teo. Izany dia mifandraika amin'ny filazàn'ny Praiministra Maleziana, Najib Razak fa hoe hamaly ioreo fanontaniana alefan'ny mponin'ny aterineto ao amin'ny twitter izy.