Tonizia: Resaka fanonganam-panjakana, tsaho fotsiny

Vao maraina be ny Alarobia 12 Janoary, niparitaka toy ny vanja nipoaka tao amin'ny Twiiter ny vaovao hoe nisy fanonganam-panjakana tany Tonizia. Tokony ho tamin'ny 5:10 mn CET, Wessim Amara (@wes_m) no isan'ireo voalohany nandefa azy tamin'ny tweet:

"Fanamafisana an-telefaonina fa nohodidinin'ny tafika ny muinisteran'ny atitany #coup #tunisia #zaba"

Nanaraka ireo tweets nalefan'i  @wes_m sy ny hafa, nanjary rakotry ny vaovao mikasika ny honohonon'ilay fanonganam-panjakana ny twitter, ary ny The Next Web dia nanjary ho isan'ireo voalohany nandray ilay resaka ho tsy vazivazy:

Araka ireo tatitra hitantsika ao amin'ny Twitter, nisy fanonganam-panjakana nataon'ny tafika manohitra ny fitondran'i Ben Ali sy ny Filoha Zine el Abidine Ben Ali nipoaka tao Tonizia. Na izany aza, tsikaritra fa ny fandrakofana ataon'ny media mahazatra mikasika ny zava-mitranga ao amin'io firenena kikisan'ny ady io tato ho ato dia bitika tokoa nandritra ireo herinandro vitsy lasa teo aloha teo, afa-trsy ny raharahan'ilay mpanohitra 26 taona izay nandoro ny tenany ary maty taorian'izay.

Mifanindran-dàlana amin'ireny vaovao momba ny mety ho fisian'ny fanonganam-panjakana ireny, video iray no nivezivzy ao amin'ny YouTube nampiseho fanoherana faobe tao Frantsa teo ivelan'ny Masoivoho Toniziana ao an-toerana:

Ny fiafarany, na izany aza, diso ilay tatitra momba ny fanonganam-panjakana; Nasser Weddady (@weddady), izany ny tatitra nalefany momba ny fanonganam-panjakana dia nalaky lasa Top Tweet, dia niala tsiny, tamin'ny filazàna hoe:

Ok, diso aho nanely tao amin'ny @SBZ_NEWS momba ny resaka fanonganam-panjakana #tunisia#sidibouzid ahy ny hadisoana. Tsy nisy fanonganam-panjakana. Manaraha tsy tapaka.

Toy ny namintinan'i Emir Chouchane (@miroh_) hoe :

la rumeur d'un coup d'Etat d'aujourd'hui est la réponse de ce que veux vraiment le peuple.#sidibouzid

ny tsaho momba ny fanonganam-panjakana no valin'izay tena andrasan'ny vahoaka marina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.