- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Rosia: Tetikasa Ushahidi mitatitra ny olan'ny Ririnina Rosiana

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Rosia, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Teknolojia, Tontolo_iainana, Vonjy Voina, Akon'ny RuNet

“Sarintanim-panampiana ho an'ny Ririnina Rosiana” [1] (Holoda.info), tetikasa iray vaovao ho fitrandraham-baovao avy eny ifotony, no natomboka napetraka tao Rosia mba hitaterana ny olan'ny vahoaka tratry ny hatsiaka mamirifitry. Ny masoivohom-baovao  RIA Novosti mitatitra [2] [RUS] fa ny tanjon'ny vohikala dia ny hitondra fanentanana mikasika ireo olona miaritra ny tsy fisian'ny fitaovana fanafànana na rafitra hafa ho fanohanana any Rosia, sy ho fanamoràna ny fifanampian'ny rehetra. Ny tetikasa dia natombok'ilay vondrona mpanolo-tena an-tsitrapo iray izay tany am-piandohana dia nandefa ny “Sarintanim-panampiana”, sehatry ny Ushahidi [3] [ENG] noho ny doroala Rosiana (Russian-fires.ru).