- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejipta: Mpitoraka bilaogy iray very asa noho ny bilaoginy

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Politika, GV Mpisolovava

Tsy i Mohamed Maree [1] no Ejiptiana voalohany mpitoraka bilaogy very asa noho ny zavatra nosoratany tany anaty bilaoginy, satria nialoha làlana azy i Founon [2] sy Ahmed El Droubi [3] ,  saingy izy no vao haingana indrindra very asa noho ny asa sorany. Velabelarin’ i Zeinobia bebe kokoa ny raharaha [4] : “Maree dia niasa tamina orinasa mpanao fanafody nandritra ny roa volana sy tapany nony injay, tampoka teo, nanapa-kevitra ny hanapaka ny fifanarahany taminy ilay orinasa satria hitan'ity orinasa fa efa nanan-draharaha teo amin'ny sehatra politika ranamana ary ny fomba fijeriny dia mifanohitra amin'ny an'ny governemanta Ejiptiana”. Manontany tena i Zeinobia noho izany [4] : “Tsy maintsy hitoraka bilaogy tsy hitonona anarana ve izany isika mba hahafahantsika mitazona ny asantsika!!?”