Ejipta: Mpitoraka bilaogy iray very asa noho ny bilaoginy

Tsy i Mohamed Maree no Ejiptiana voalohany mpitoraka bilaogy very asa noho ny zavatra nosoratany tany anaty bilaoginy, satria nialoha làlana azy i Founon sy Ahmed El Droubi ,  saingy izy no vao haingana indrindra very asa noho ny asa sorany. Velabelarin’ i Zeinobia bebe kokoa ny raharaha : “Maree dia niasa tamina orinasa mpanao fanafody nandritra ny roa volana sy tapany nony injay, tampoka teo, nanapa-kevitra ny hanapaka ny fifanarahany taminy ilay orinasa satria hitan'ity orinasa fa efa nanan-draharaha teo amin'ny sehatra politika ranamana ary ny fomba fijeriny dia mifanohitra amin'ny an'ny governemanta Ejiptiana”. Manontany tena i Zeinobia noho izany : “Tsy maintsy hitoraka bilaogy tsy hitonona anarana ve izany isika mba hahafahantsika mitazona ny asantsika!!?”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.