Miasa andro aman'alina ireo Toniziana mponin'ny aterineto mba hampiseho amin'izao tontolo izao ny vonomoka mitranga [1] ao amin'ny firenen-dry zareo. Ny zavatra izay nanomboka taminà endrika fanoherana ny tsy fisian'asa raha nandoro ny tenany ny Toniziana iray vao 26 taona tao Sidi Bouzid tamin'ny volana lasa dia nandrehitra sy nampihanaka onjam-panoherana nanerana ny firenena iray manontolo.
Na dia hoe midona amin'ny valin-kafatra mahery vaika avy amin'ny manampahefana aza ireo mpanohitra, ary miatrika zava-manahirana toy izany koa ireo mafàna fo eto amin'ny aterineto [2], dia be ireo saripika, fijoroana ho vavolombelona ary video mampiseho ny saritaka isan'andro mivoaka ao amin'ny aterineto.
Ny vaovao [3] androany dia milaza fa 20 raha kely indrindra ny olona maty tao amin'ny tanàna roa dia Tala, 200km atsimo andrefan'i Tunis renivohitra, sy ny faritr'i Kasserine – ary mirehidrehitra mihitsy ny tontolon'ny fandefasana Tweets.
Vao maraina be androany, nahazo ity antso [4] manaraka ity tao amin'ny vohikala fitorahana bilaogy kiritika aho.
@JustAmira [5] @globalvoices [6] azafady mba ambarao an'izao tontolo izao fa miala aina i kasserine!
Ny karoka malaky momba ny tenifototra #sidibouzid [7] dia nandràry tantara-na horohoro – sy aingam-piraisankina avy amin'ireo olo-manan-tsaina maneran-tany.
SBZ_news, izay any Tonizia dia mandefa tweets fa [8]:
Araka ny loharanom-baovao avy ao Talah, tsy avelan'ny polisy havoaka ireo olona naratra #SidiBouzid
ary manontany hoe:
Mametraka rohy [10] mankany amina video koa izy, nampiakarina ao amin'ny Facebook, izay mampiseho ny nampiasan'ireo polisy bala tena izy hanosehana ny mpanao fihetsiketsehana:
Bala, nampiasain'ny polisy Toniziana tao Kassrin http://www.facebook.com/video/video.php?v=170356223007700 [11] #SidiBouzid [9]
Nawaat koa dia mandefa video iray [12] ao amin'ny YouTube mampiseho ny fomba nifanandrinan'ny polisy tamin'ny mpanao fihetsiketsehana sy nampiasany bala tena izy:
Ao amin'ny Twitter, Nawaat dia nitondra porofon'ny famonoana tsy ankitsitsy teny an-dalambe tamin'ny nanehoany [13] tamintsika an'ity sarina ankizilahy maty ity, tao an-dalamben'i Talah:
Ankizilahy maty tao an-dalamben'i Tonizia. (thala) 09.01.10 http://post.ly/1SQF7 [14] #sidibouzid [15]
Ary na ny maty aza dia tsy afa-bela. Nawaat no manampy [16]:
fra-ise manampy [17]:
Saingy ho an'ilay Toniziana Youssef 3al-7it, efa eny am-paravodilanitra ny fanantenana [20]:
Ny korontana ataon'i Tonizia amin'ny vahoakany ihany dia niteraka fanehoan-kevitra maro avy amin'ny olona manerana izao tontlo izao.
Mandefa tweets [21] maneho hevitra momba ny zava-nitranga androany i Saudi Essam Al Zamil:
الجزيرة: عشرون قتيلا اليوم في مظاهرات تونس (يبدو أن الحكومة التونسية الجبانة بدأت باستخدام القتل لارهاب الشعب) #SidiBouzid [9]
Dima Khatib manohy [22]:
Ary hoy izy manampy [23]:
Raha mila video maro avy amin'olon-tsotra ao Tonizia momba ny zava-mitranga eny ifotony, midira ao amin'ny fantsona Youtube-n'ny Nawaat eto [24] na jereo eto [25] ny hoe tunisians ao amin'ny vimeo.
Ao amin'ny Facebook, pejy iray antsoina hoe Liberate Tunisia [26] no noforonina, miaraka amina fanavaozam-baovao matetika mikasika ny fivoaran'ny raharaha eny ifotony hatramin'ny sarin'ireo tra-doza. Atoa Filoha, mandoro tena ny Toniziana [27] ( Mr President, the Tunisian People are Setting Themselves on Fire) [28] dia vondrona iray hafa ao amin'ny Facebook, natokana hanangonana ny tatitra mikasika ny tolon'ny vahoaka Toniziana.