- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Palestina: Tatitry ny nanatri-maso momba ny baomba mandatsa-dranomaso tamin'ny fihetsiketsehana tany Bil'in

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Palestina, Ady & Fifandirana, Fanoherana, Vaovao Mafana

Maty tamin'ny 31 Desambra 2010 i Jawaher Abu Rahma, vehivavy Palestiniana, tao Bilin tanàna any Cisjordanie. Ny fifohana baomba mandatsa-dranomaso nalefan'ny Herim-Piarovana Israeliana no niteraka ny fahafatesan'izany mpitolona 36 taona izany. Bilin dia tanàna  hita avy hatrany eo amin'ny sakana fiarovana nataon'ny Israeliana. Nanambara i Israely taorian'izay fa tsy ny baomba mandatsa-dranomaso no nahafaty ilay vehivavy, nefa manamafy ny fampiasàna diso tafahoatra ny baomba mandatsa-dranomaso ireo tweets [1] avy amin'ny nanatri-maso [2]. Kelikely taorian'izay ny The Jerusalem Post namoaka lahatsoratra ny 5 Janoary [3], manohana ny fanambaràna fa maty noho ny baomba mandatsa-dranomaso i Abu Rahma.

Ny 7 Janoary 2011, nivory tany Bilin ny vehivavy Palestiniana ho fahatsiarovana an'i Abu Rahma. Niaraka tamin'izy ireo ny mpikambana amin'ny Israeli Knesset, mpitolona Israeliana, ary ny media iraisam-pirenena. Mpampiasa Twitter maro tany amin'ny fihetsiketsehana no nanome fanampim-baovao matetika momba ny fihetsiketsehana.

Jessica Devaney, Amerikana, dia nanaraka ny fihetsiketsehana hatramin'ny voalohany [4]:

Vondrom-behivavy ao an-tranon'ny fianakavian'i Jawaher any Bil'in. Vehivavy Palestiniana manodidina ny 70-80 sy teratany vahiny vitsivitsy no tao.

Nanohy [5] izy:

Nivory teo amin'ny sàkana ny olona. Manantona ny miaramila, miaraka amin'ny baomba mandatsa-dranomaso eny an-tànany http://yfrog.com/h6fjrjtj

Nahavoa azy manokana [6] ny fampiasàna ny baomba mandatsa-dranomaso, nefa koa niitatra [7] lavitry ny fihetsiketsehana:

Vao tratry ny fatra voalohany tamin'ny anjara entona manempotro. Ratsy sy maharikoriko araka ny henoko mihitsy ilay izy

Tonga hatrany afovoan'ny tanàna ny setroka. Mijaly ny rehetra.

Nanaraka ny fihetsiketsehana [8] manontolo koa i Joseph Dana:

miaramila 30-50 nifanenàko. Setroka matevim-be. Mety ho mahery noho ny tamin'ny herinandro lasa http://twitpic.com/3nrwx9

Raha nanaraka ny fivoaran'ny baomba mandatsa-dranomaso, bala fingotra, ary ny mpamonjy voina naka ireo maratra, nanampy [9] i Dana:

Aleo hazava ny resaka, nanafika aoka izany ny fihetsiketsehana tsy nahitàm-pitaovam-piadiana ny Israely tany Bilin izay nahitàna diplaomaty vahiny, mpitolona israeliana ary mpanao gazety vahiny maro

Noam Sheizaf, Israeliana monina any Tel Aviv, dia nanamarina izany tati-baovao izany, ary nanampy fa toa nitandrina mafy [10] ny hery fiarovana Israeliana mba hisorohana ny faharatràna:

nitandritandrina be ny tafika androany. Be loatra angamba ny israeliana

Avy eo izy nanampy [11] tamin-kanihany:

azoko ny fatrana baomba mandatsa-dranomaso fakako isan-kerinandro, afaka miatrika ny faran'ny herinandro amin'izay

Olona nanatri-maso iray hafa ni-tweet [12] tamin'ny fifaranan'ny fihetsiketsehana:

Misaotra ny lanitra ho an'ny twitter. Manana ny hery hitaterana ny marina araka izay tena nitrangàny isika. Donakely ho an'ny twitter sy ny tolona malaza!

Namintina ny tranga ny kaonty Twitter ofisialin'ny Herim-Piarovana Israeliana, nilaza hoe [13]:

korontana 2 mahery setra + tsy ara-dalàna niseho- ~300 mpitolona any akaikin'ny Bil'in + ~60 tany akaikin'ny Ni'lin nitoraka vato an'ireo herim-piarovana.

Raha mila an-tsipriany bebe kokoa avy amin'ireo mpi-tweet ireo, sy  tweets fanampiny avy amin'ny hafa, vakio ny (amin'ny teny Anglisy raha tsy voalaza): @ibnezra, @ygurvitz (Hebreo), @nsheizaf, @tamarzandberg, @jessicadevaney,@ PSCC_Palestine, @itamar_b (Hebreo), @IDFSpokesperson.