- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

[Video] Sary avy amin'ny Tetikasa Fitrandrahana ny Zava-pady

Sokajy: Ejipta, Rising Voices

Amin'ny maha-anisan'ny fandraisan'andraikitry ny Rising Voices antsika any Ejipta [1], izay tanteraka noho ny famatsiam-bola avy amin'ny Heinrich Böll Foundation – Biraom-paritra “Moyen Orient” [2], nanafatra video telo izahay izay hanome fijery akaiky kokoa amin'ireo tetikasa tsirairay avy. Vao tsy ela izay ny mpanao sarimihetsika Ejiptiana Mahmoud Saber [3]sy ny ekipany no nahavita ireo horonantsary telo izay havoakanay eto amin'ny vohikalan'ny Rising Voices.

Ho an'ireo video telo ireo, nampiasa ny fitaovana Universal Subtitles [4] [Dikanteny iraisam-pirenena] koa izahay hanisiana dikanteny Anglisy. Ahafahana manisy dikanteny amin'ny fomba mora amin'ny tenim-pirenena hafa ity fitaovana iaraha-miasa ity, ary manasa ny mpamaky izahay hanisy dikanteny amin'ny tenim-pirenena hafa.

Ny video voalohany dia manasongadina ny Tetikasa Fitrandrahana ny zava-pady (Taboos) [5] tarihan'ireo mpikambana ao amin'ny ekipa avy any Nazra, izay nanome fanofanana ho an'ireo Ejiptiana amin'ny fampiasàna ny fitaovana media raitra, ho toerana hiadian-kevitra momba ny resaka zava-pady.

[6]

Tsindrio eo amin'ny sary raha hijery ny video (mandefa mankany amin'ny pejin'ny Universal Subtitles ny rohy)