- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ireo lahatsoratra be mpamaky indrindra tamin'ny taona 2010

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina
[1]

MIRARY TAOM-BAOVAO SAMBATRA! avy amin'i 1suisse ao amin'ny Flickr (Creative Commons Attribution-NoDerivs 2.0 Generic)

Ao amin'ny Global Voices izahay dia miara-miasa amin'ny fikambanan'ireo mpirotsaka an-tsitrapo mba hamoahana tantara mikasika ny zava-mitranga ao anatin'ny bilaogy sy ny mediam-bahoaka eran-tany. Eto ambany, ny sasantsasany amin'ireo tantara izay nahasarika ny sain'ny olona be indrindra tamin'ny taona 2010 avy amin'ireo mpamaky amin'ny teny Anglisy (ny vohikalanay Lingua [2] amin'ny teny samy hafa dia mety  hanana vokatra hafa).

Matetika dia ireo lahatsoratra mifandraika amina tantara malaza eran-tany no lahatsoratra be mpamaky sy malaza indrindra, tahaka ilay horohorontany tany Haiti, na ny Amboara eran-tany tany Afrika Atsimo. Indraindray, dia zavatra tsy dia resahan'ny media loatra.

Ho an'ireo tamberina avy amin'ny faritra tamin'ny taona 2010 nataon'ireo mpanoratrantsika, jereo ny pejy fandrakofana manokana: Best of 2010 [3].

Ny be mpamaky indrindra tamin'ny taona 2010

Ny lahatsoratra be mpamaky indrindra tamin'ny taona 2010 dia ny Brezila: Ny zava-mahagagan'ny Cala Boca Galvao [4] izay amin'ny ampahany dia noho ny fanononan'ny mpiara-manorina, Ethan Zuckerman, ity tantara ity tamin'ny famelabelarany tao amin'ny TED [5].

Ireo fandrakofana be mpamaky indrindra

Fifandirana

MENA: Hatezerana aorian'ireo fanafihan'i Israely ny sambo Flotilla ho any Gaza” [12]
Korea Avaratra: Anatin'ny ady psikolojika koa ny hatsaràn-tarehy
Costa Rica: Ady sisintany amin'i Nikaragoa [13]
Rosia: fandrakofana voalohany mikasika ny fanapoahana baomba tany amin'ny lalambian'i Mosko [14]
Filipina: niafara tamin-kerisetra ny fakana takalon'aina [15]
Egypt: Khaled Said – Famonoana an-kamehana avy amina lalàna [16]an-kamehana [16]

Politika

Afrika Atsimo: Julius Malema sy ny ampitson'ny fahalalaha-miteny [17]
Vosakana ny Facebook any Pakistana noho ny firotsahany amina fampielezan-kevitra tsy mifanaraka [18]
Masedonia: Fikomiana ao amin'ny aterineto manohitra ny tetikasa “Skopje 2014″ [19]
Ny sainam-pirenena vaovao sy ny anarana vaovaon'i Myanmar [20]

Fanatanjahan-tena

Afrika Atsimo: Manasongadina ireo hevitra mahaliana ny hira natokana ho an'ny Fiadiana ny Amboara Eran-tanin'ny FIFA 2010 [21]
Mali: Mihetsika ireo Mpankafy ny Fiadiana ny Amboara Eran-tany amin'ny antso mahabe resaka nataon'ny mpitsara lalao [22]
Georgia: Mitranga ny loza nefa misokatra ny lalao Olaimpika amin'ny andro ririnina [23]

“memes”n'ny aterineto

Filipina: Ny jejemon mahavery saina [24]
Andiany indray mihira virtoaly: Teknolojia, fiaraha-miasa ary hira [25]
Rosia: olona aseho amina “cartoon” ao amin'ny aterineto – Mr. Freeman – mandrava ny zava-misy, maneso ny olon'ny aterineto [26]
Somonga nandritra ny fahatapahan'ny Facebook ny alakamisy teo [27]
Boobquake – Horohoron’ny nofo miatrika ny vela-kevitry ny mpitarika fivavahana iraniana [28]

Shina

Shina: fangatahan'ireo mpivaro-tena ny haha-ara-dalàna azy ireo, voafonja ny mpikarakara [29]
Shina: Fihotsahan'ny tany tany Zhouqu, loza vokatry ny nataon'ny olombelona [30]
Shina: ‘i Li Gang no Raiko’ [31]
Ny fahitàn'ny mpitoraka bilaogy Sinoa ny Avatar [32]
Shina: Fibabohan'ny mpihazakazaka mitanjaka ao amin'ny Aterineto [33]
Noam Chomsky tany Shina [34]
Shina: Loka Nobel ho an'ny Fandriampahalemana – Liu Xiaobo [35]

Fiaramanidina

Polonina: Maty tamin'ny fianjerana fiaramanidina tany Rosia ny filoha Kaczyński – Fanehoan-kevitra voalohany [36]
India: Hatezerana tamin'ny fianjerana fiaramanidia tany Mangalore [37]

Volkano

Goatemala: Mametraka ny firenena ho ao amin'ny toeran'ny faharavàna nateraky ny natiora ny volkanon'i Pacaya [38]
Ekoatora: Mamely faritany ekoatoriana maro ny fipoahan'ny volkano Tungurahua [39]
Indonezia: Horohorontany, Tondran-drano, ary fipoahan'ny Volkano tao anatin'ny 48 ora [40].

Orana

Pero: Rotsa-korana mahery sy fihotsahan'ny tany tany Cusco [41]
Arabia Saodita: Rehefa avy ny orana dia mivatravatra any Riyadh [42]

Toekarena

Gresy, Alemana sy ny ratsan-tànan'ny Venus de Milo [43]
Japana: toerana izay tsy ekena mihitsy ny fialan-tsasatra [44]
India: Ady an-dokambarotra ifanandrinan'ny Rin sy ny Tide [45]