- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Meksika: Manameloka ny tetikasa fitrandrahana harena an-kibon'ny tany eo amin'ny toerana masina ny vahoaka vazimba

Sokajy: Amerika Latina, Meksika, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Foko sy Fiaviana, Hafanàm-po nomerika, Teratany, Tontolo_iainana
Huicholes: A group of Native People from Meksiko image by Flickr Commons user edcarsi used under a Creative Commons Attribution-Share Alike license [1]

Huicholes: Vondrom-bahoaka teratany avy any Meksika, sary nalain'ny mpampiasa Flickr miaraka aminny fahazoan-dalana Creative Commons Attribution-Share Alike

Manameloka ny tetikasa Kanadiana mikasika ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany mananontanona
ny iray amin'ireo toerana masin'izy ireo ny vahoaka vazimba avy any Meksika Huicholes (fantatra ihany koa amin'ny hoe Wixarika) [2]. Nanatrika ny Fihaonamben'ny Firenena Mikambana mikasika ny fiovan'ny toetrandro – COP16 [3] tany Cancun ry zareo mba haneho ny olany mikasika ny [4]fitrandrahana harena an-kibon'ny tany [4]ataon'ny Kanadiana, [4] araka ny nosoratan'ny mpitoraka bilaogy BJM eo amin'ny bilaogin'ny Tambajotran'ny Tontolo iainana Vazimba Red Road Cancun: [5]

Tonga tany Cancun ny delegasiona Meksikana Indiana mba hanameloka ny tetik'sa iraisam-pirenena mikasika ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany ataon'ny Canadian First Majestic Silver any faritra voajanahary iray arovana ao Wirikuta.

Masina io toerana io ho an'ny Indiana Huichol izay tonga teo amin'io toerana somary tany hay any Real de Catorce io. Iray amin'ireo toerana fototra amin'ny fivavahana izy io ho an'ny pueblo Wixarica an'ny vahoaka Huichol mipetraka eo amin'ny havoanan'i San Luis Potosi.

Olana mitovy amin'izay ihany, nanoratra lahatsoratra mikasika ny maha-zava-dehibe an'io toerana io [6] ho an'ny Wixarika, toy izany koa ny fivahinianana masina ataony isan-taona, ny mpanoratra Tracy L. Barnett avy amin'ny gazety niomerika The Esperanza Project [7]:

Teto aloha isika, indrindra indrindra, mba hampita ny teny mikasika ny asa fitrandrahana volafotsy ataon'ny Kanadiana izay hanimba zavatra any Wirikuta, ny toerana tena masin'ny vahoaka Wixarika, toerana izay raha araka ny fomba amam-panaon-dry zareo, dia nahaterahan'ny masoandro. Ity toerana ity no ivon'ny tontolon'izy ireo, anton-dian'ny fivahinianana masina isan-taona efa ho anjaton-taona, mety ho anarivon-taonany maro, izay ery amin'ny faran-tampony amina laharan-danonana iantsoana ny fanahin'ny razambe sy ampifandanjàna ny herin'ny planeta rehetra manontolo. Nahazo fahazoan-dàlana 22 hanaovana fitrandrahana harena an-kibon'ny tany ny First Majestic Silver Corp. any Canada, mitontaly 6,326 hekitara, izay ny ankamaroany dia ahitàna faritra federaly voaaro ara-ekolojika sy harena ara-drafitrasa sy tao-trano any Real de Catorce neken'ny UNESCO  ho vakoka.

Namoaka lahatsoratra [8] iray ny gazety amin'ny aterineto Intercontinental Cry [9] mikasika ny fangatahan'ny Wixarika mikasika ny faritr'i Wirikuta  toerana izay masina ho an'ny teratany avy ao Mexico, ary ny hetsika tian'izy ireo hatao:

Ny fahamasinan'i Wirikuta no tena manahirana indrindra ny vahoaka Wixarika; na izany aza, asongadin-dry zareo ihany koa fa olona 3500 eo ho eo no mipetraka eo amin'io faritra iasàna io, anaty tobim-piarahamonina 16 sy “toerana maro”. Raha tena mihodina ny fitrandrahana volafotsy, mety hiatrika tsy fahampian-drano ny tsirairay sy ny olon-drehetra ary hanaraka ny olana ara-pahasalamana henjana avy amin'ny fampiasàn'ny orinasa ny cyanide [10]. Mety hiteraka fahavoazan'ny maso ny fifaneraserana amin'ny cyanide, fahasimban'ny taovam-pisefoana, aretinan-doha sy aretina amin'ny ankapobeny toy ny lefa-kozatra, fo mijanona tampoka, torana ary fahafatesana.

Noho ireo antony ireo, dia milaza ny Wixarika fa vonona izy ireo ny “hampiasa ny zavatra rehetra ilaina hanajanonana ity tetikasa fitrandrahana harena an-kibon'ny tany manimba ity, hampiasa ireo zavatra rehetra araka ny lalàna eto amin'ny firenena sy iraisam-pirenena manome rariny antsika ary koa ny hetsika tsy misy herisetra amin'ny fanoherana sivily izay tena ilaina.”

Wirikuta image by Flickr user David Mannix in Meksiko used under a Creative Commons Attribution-Share Alike license [11]

Wirikuta. Sary avy amin'i David Mannix, mpampiasa Flickr any Meksiko nampiasàna ny Creative Commons Attribution-Share Alike

Maneho vaovao avy any amin'ny olona eny ifotony [12]mikasika ny mety ho olana raha mitohy ny tetik'asa i Cultural Survival [13]:

Raha mahazo alalana hitohy ity tetikasa goavana ity, dia ho goavana hitovy amin'izay ihany koa ny fiantraikany. Na izy ireo handavaka ny toerana ka hamoaka izany ivelan'ny tonelina na izy hangady hanao tatatra mazava, hiteraka potipotiny mety hitondra asidra amin'ny tontolo iainana  mandritry ny taonjato maro foana ilay toeram-pitrandrahana ary hanimba ny tontolo taza-maso eo amin'ny faritra izay ny fizahantany anefa no tena voalohany amin'ny fidiram-bolany. Vovoka, tabataba, tany mihotsaka, fanamboaran-dalana, rano maloto, ary fanimbàna ny fiainana anaty ala, ireo karazam-borona miavaka  ahafantarana ny faritra — ao anatin'izany ireo 16 izay mihorohoro — dia mety ho very. Ny tena fiantraikan'ny fitrandrahana ny harena an-kibon'ny tany amin'ny rano fisotro no ankamaroan'ireo olan'ny mpamboly tantsaha eo amin'ity faritra somary tany hay ity. Mampiasa rano betsaka mitovy amin'ny lanin'ny fianakaviana tantsaha iray ao anatin'ny 25 taona ny  toeram-pitrandrahana harena an-kibon'ny tany amin'izao habeny izao.


Manome vahaolana samihafa hanovana hetsika hanampiana sy hananaingàna ny fahatsapan-tena mikasika io resaka io [12], i Cultural Survival ary koa hevitra mikasika ny fomba hihetsehana amin'ny alalan'ny hetsika anaty aterineto.