Tantara tamin'ny 06 Janoary 2011
Tonisia: Manako eran-tany ny antsoantson'ireo mpanohitra
Ny kiak''ireo Tonisiana, manohitra ny kolikoly sy ny tsy fisian'asa nandritra ireo roa herinandro lasa, dia mihamalalaka kokoa ao amin'ny Aterineto. Mihetsika manaraka azy ireo sy manely ny antsony ireo mpampiasa aterineto maneran-tany.
Meksika: Manameloka ny tetikasa fitrandrahana harena an-kibon'ny tany eo amin'ny toerana masina ny vahoaka vazimba
Manameloka ny tetikasa fitrandrahana harena an-kibon'ny tany Kanadiana ny vahoaka vazimba Huichol avy any Mexico izay mananontanona ny iray amin'ireo toerana masin'izy ireo ary izany, raha fenoina, dia mety handindona ny fahasalamany sy ny famatsiana rano azy ireo.
Kolombia: Nandrakitra horonan-tsarimihetsika 1 isan'andro ireo mpitoraka bilaogy an-tsarimihetsika tamin'ny taona 2010
Kolombiana maro mpitoraka bilaogy amin'ny horonantsary mihetsika no nanao fifaninanana amin'ny fanaovana horonantsary iray isan'andro nandritra ny taona 2010. Na dia tsy vita aza izy rehetra, dia ilaina ny mankasitraka ny ezaka nataon'ireo izay irotsaka tamin'ity hevitra lehibe ity.
[Video] Sary avy amin'ny Tetikasa Fitrandrahana ny Zava-pady
Ity ny voalohany amin'ny laharana video telo notontosain'ny mpanao sarimihetsika any an-toerana Mahmoud Saber, izay mifantoka amin'ny famatsian'ny Rising Voices any Ejipta. Ity video voalohany ity dia manasongadina ny tetikasa Fitrandrahana ny zava-pady (Taboo) any Caire.
Ireo lahatsoratra be mpamaky indrindra tamin'ny taona 2010
Ao amin'ny Global Voices izahay dia miara-miasa amin'ny fikambanan'ireo mpirotsaka an-tsitrapo mba hamoahana tantara mikasika ny zava-mitranga ao anatin'ny bilaogy sy ny mediam-bahoaka eran-tany. Eto ambany, ny sasantsasany amin'ireo tantara izay nahasarika ny sain'ny olona be indrindra tamin'ny taona 2010 avy amin'ireo mpamaky amin'ny teny Anglisy.