Sina: Lisitr'izay heverina ho fiteny voasivana anaty SMS

Elaine Chow avy amin'ny Shanghaiist dia mitatitra mikasika izay lazaina ho lisitry ny SMS tondroina ho bahànan'ireo orinasa mpisahana ny fifandraisana amin'ny finday ao Sina tamin'ny 2010. Ny antontan-kevitra, naparitak'i @zuola tamin'ny alalan'ny Twitter, dia nambara fa nataon'ilay orinasa manome tolotra SMS, Boer, izay niezaka nampandre ny mpanjifan-dry zareo ny amin'ireo fiteny rehetra nifanarahana fa hosakanan'ireo orinasa mpisahana ny fifandraisana amin'ny finday, ahitàana an'i  China Mobile, China Telecom ary China Unicom.

Azo tsinjaraina ho vondrona enina lehibe ireo fiteny voabahana ka ahitàna ny:

1. Filaminam-pirenena sy fiteny mifandraika amin'ny politika, izay tonga hatrany amin'ny fiteny 700 any ho any toy ny  “Revolisiona koltoraly”, “Fahaleovantenan'i Xinjiang”, “Departemantan'ny fampoielezan-kevitra”, “Filaminam-pirenena”, “ady amin'ny kolikoly “, “herisetra”, “rotaka”, “4 Jona”, “vahoaka”, “zon'olombelona”, “demaokrasia”, “CCP” ets…

2. Manodidina ny fiteny 200 mifandraika amin'ny  Falun Gong

3. Manodidina ny fiteny 200 mifandraika amin'ny vaovao mafampàna toy ny  “filazùna ny marina”, “fanangonan-tsonia”, “SCMP”, “Asia Magazine”, “famonoantena”, “hevi-bahoaka”

4. Maherin'ny fitenim-boto  600 toy ny “fxxk”, “gambling”, “sex”, “pornography”, “naked”, “dick”, “breast”, “fart”, “loser”, “dog shit”, “slut”, “illegal”, “bomb”, “adult movie”, “heroin”, “chat chat”, “prostitute”, “lonely”, “apartment”, “fake money”, “oral sex”, “waiting for you”.

5. Manodidina ny anarana 800, ahitàna ireo endrika nanana ny tantarany, mpitarika politika sy mpanohitra.

6. Manodidina ny mailaka fandokàfam-barotra 500.

Fiteny mafampàna hafa amin'ny teny Anglisy sy fanambàrana isa  (toy ny 8964).

Araka ny anasongadinan'i Elaine Chow azy “somary misy fisalasalana ihany ny amin'ny mety ho fiavian'ireny teny ireny avy amin'ny listra maintin'ny manampahefana, na natambatr'ireo mponin'ny aterineto avy amin'izay heverin-dry zareo fa tadiavin'ny birao misahana izany hosivanina.” Raha mbola tsy mangarahara ny mason-tsivana sy ny mekanisma ny sivana dia mety samy hanana ny fiteny samihafa sivaniny avy ireo orinasa samihafa ary amin'ny fotoana isankarazany, ho ao anatin'ny haizina hatrany ny olon-tsotra ary dia ho sarotra ny hahazo izay sary tena feno.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.