05 Janoary 2011

Tantara tamin'ny 05 Janoary 2011

Brezila: Blaogy hanihany voasivana

GV Mpisolovava  05 Janoary 2011

Ity dia pejy fandraisana ny vahinin'ny blaogin'i Paul Martins, mpiandraikitra ny ARTICLE 19 Brazil. Raha mila fanampim-baovao, mifandraisa amin'i Rebecca Vincent ao amin'ny: paula [ arobazy ] article19 [ teboka] org. Ireo vondrona Braziliana miaro ny fahalalahana maneho hevitra, anisan'izany ny ARTICLE 19, dia mikarakara fanentanana hanohanana ireo mpirahalahy mpitoraka...

Sina: Lisitr'izay heverina ho fiteny voasivana anaty SMS

GV Mpisolovava  05 Janoary 2011

Elaine Chow avy amin'ny Shanghaiist dia mitatitra mikasika izay lazaina ho lisitry ny SMS tondroina ho bahànan'ireo orinasa mpisahana ny fifandraisana amin'ny finday ao Sina tamin'ny 2010. Ny antontan-kevitra, naparitak'i @zuola tamin'ny alalan'ny Twitter, dia nambara fa nataon'ilay orinasa manome tolotra SMS, Boer, izay niezaka nampandre ny mpanjifan-dry zareo ny...

Sodàna: Hiteraka fanjakana vaovao ve i Afrika amin'ny 2011?

  05 Janoary 2011

Hiteraka fanjakana vaovao ve i Afrika amin'ny 2011? Hanao fitsapan-kevi-bahoaka i Sodàna Atsimo na hoe hijanona na tsia ho faritr'i Sodàna izy amin'ny 9 Janoary 2011 araka ny ao anatin'ny Fifanarahana Ankapobeny ho amin'ny Fandriam-pahalemana tamin'ny 2005 teo amin'ny governemanta foibe ao Khartoum sy ny Hetsi-panafahan'ny Vahoaka ao Sodàna. Fitsapankevi-bahoaka iray koa no hatao amin'io fotoana io ihany any Abyei mikasika ny hoe ho lasa faritr'i Sodàna Tatsimo na tsia.

Kazakhstan: Miresaka Finoana ny Mpitoraka Bilaogy

  05 Janoary 2011

Satria i Kazakhstan tsy manana politika mazava amin'ny resaka ara-pinoana, dia lasa toy ny fanao ny hoe afaka manome ny famaritany manokana ny resaka finoana ny olona tsirairay. Tahaka ny tamin'ny roapolo taona lasa, tsy dia nampihontsona ny rehetra loatra ny fisian'izany hamaroam-pijery izany, izay  navoitran'ny adihevitra momba ny finoana...