- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tonizia: Anonymous vs Ammar – Iza no Handresy Amin'ny Adin'ny Sivana?

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Tonizia, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Politika, Teknolojia, Vaovao Mafana

Anonymous

Ny Sivana Toniziana, fantatry ny rehetra amin'ny anarana hoe Ammar [1], dia manohy manafika hatrany ny kaontin'ireo mafàna fo, ao amin'ny firenena noho ny fijoroana vavolombelona amin'ny resaka onjan-panoherana [2] efa hatrany amin'ny tapaky ny volana Desambra.  Androany izao (3 Janoary), mikiaka ireo mafàna fo fa miditra an-keriny amin'ny kaonty mailak'izy ireo ny governemanta, miditra any amin'ny bilaogin-dry zareo sy ireo vohikala tambajotra sosialy ary manàkana azy ireo. Ilay hetsika dia toa sahala amin'ny famaizana noho ny fanafihana nataon'ny  Anonymous, izay nikendry ny ain-dehiben'ny vavahady aterineto sy ny vohikalan'ny governemanta Toniziana.

Ny fanafihana mahazo ny kaontin'ireo mafàna fo dia tsy zava-baovao intsony ao Tonizia sy ireo mpampiasa cyber mafàna fo ao aminy. Ny firenena rahateo efa voafaritra ho sady fanjakana polisy no Fahavalon'ny Aterineto [3] no koa mpanindry aloka ny mpampita vaovao mahazatra satria nomen'ny World Press Freedom Index [4] isa  -10 izy tamin'ny 2010, toerana nitsingidinany avy amin'ny laharana faha-154 ho any amin'ny 164 manerantany.

“Mitohy midina mankany amin'ny rambony amin'ny filaharana ao amin'ny Index ny firenena noho ny politika ampiharin'ny mpitarika ny governemanta ao Tunis tsy maintsy mamoritra hatrany ny olona izay maneho hevitra mifanohitra amin'ny an'ny fitondrana,” hoy ny ambaran'ny tatitra.

Araka ny Gawker [5], ny Anonymous, andiana ‘hackers’ mpijirika mafàna fo sy manana lamin'asa, dia nanafika ny vohikalan'ny governemanta, isan'ireny ny an'ny filoha, ny praiminisitra, ny fifanakalozam-bola vahiny ary ministera maro, ho fanoherana ny sivana nataon'ny Tonizia hisakànana ny fidirana amin'ny vohikala Wikileaks, taorian'ny raharaha Cablegate, ary ny sivana maherisetra eto amin'ny firenena.

Ao amin'ny AnonNews.org [6], seha-piresahana iray eo anivon'ny aterineto ho an'ireo ‘hacktivists,’ dia natao izao fanambaràna [7] manaraka izao izay fantatra amin'ny hoe Operation: Tunisia:


Tonga ny fotoana hamoahana ny marina. Fotoana hitenenan'ny vahoaka amin'ny fomba malalaka mba ho ren'izao tontolo izao ny feony. Te-hifehy ny anio amin'ny famafàzana lainga sy vaovao diso ny governemanta Toniziana mba hifehezana ny hoavy amin'ny alalan'ny fanafenana ny marina amin'ny vahoakany. Tsy hangina isika raha mbola mitranga izany.
Nandre ny kiakam-pahafahan'ny vahoaka Toniziana ny Anonymous.
Vonona ny hanampy ny vahoaka Toniziana amin'ny adiny manohitra ny tetitery ny Anonymous. Ho tanteraka izany. Ho tanteraka izany.
Fampitandremana ity ho an'ny governemanta Toniziana: tsy holeferina mihitsy ny fanafihana ny fahalalahana miteny sy ny fampahalalam-baovao ho an'ny vahoakany. Izay rehetra sampan-draharaha manana anjara amin'ny fanivànana dia ho lasibatra avokoa ary tsy ho afa-bela mandra-pihainon'ny governemanta Toniziana ny kiakam-pahalalahan'ny vahoakany. Eo am-pelatanan'ny governemanta Toniziana ny fampiatoana ity toe-javatra ity. Aleo halalaka ny aterineto, dia hatsahatra ny fanafihana, tohizo ihany ny fomba fanao toy ity fa mbola vao ny fiandohany fotsiny izao.

Azo jerena eto [8] ny lisitra iray misy ireo vohikalan'ny governemanta tratry ny fanafihana. [8]

Araka ny filàzan'ireo mafàna fo ao an-toerana, namaly bontana ny governemanta tamin'ny alalan'ny fijirihana ny kaontin'ireo mafàna fo, tafiditra amin'izany ny mpisolovava sy mpanao gazety, ary miditra any anatin'ny bilaogin'izy ireny sy ny vohikala tambajotra sosialy, toy ny Facebook, ary dia mibahana an-dry zareo.

Astrubal, Toniziana mpitoraka bilaogy, co-editeur ao amin'ny Nawaat.org [9], dia miteny fa maro ny teboka azo ilazàna ny fisian'ny fandrindràna fanafihana ataon'ny governemanta amin'ny kaonty manokan'ireo mafàna fo. Manoratra izy [10] [Fr]:

Il s’agit vraisemblablement d’une campagne destinée surtout à subtiliser les log et mot de passe des utilisateurs afin de fouiner dans leurs messages privés. Par ce moyen, la police, en quête de renseignements, chercherait à s’infiltrer dans les comptes des utilisateurs pour savoir qui communique avec qui et sur quel sujet. Il s’agirait en somme de chercher à démanteler ces réseaux de journalisme citoyen qui se sont constitués spontanément suite aux mouvements de contestation de Sidi-Bouzid.

Depuis les événements de Sidi-Bouzid qui ont montré, en effet, l’importance des réseaux sociaux quant à la circulation de l’information, des perturbations récurrentes du réseau ont été constatées. Pour le cas de Facebook, les connexions en HTTPS notamment pour se logger sont souvent impossibles à établir. Le pouvoir tunisien n’a pas osé, comme il l’a fait par le passé, bloquer les services du réseau social le plus utilisé par les Tunisiens. Cette fois-ci, il semble qu’il chercherait plutôt à atteindre directement ceux qui l’utilisent pour faire circuler l’information, plutôt que de s’attirer les foudres de tous les utilisateurs par un blocage total de Facebook.

En tout état de cause, nous rappelons à tous les utilisateurs de Facebook et, a fortiori, s’ils se connectent à partir de la Tunisie : NE VOUS CONNECTEZ JAMAIS à partir d’une page non sécurisée. Même si vous n’avez rien à cacher, n’oubliez jamais que vous êtes également dépositaire de la confiance des personnes qui vous envoient des messages privés. Même si, vous, ça vous est égal que l’on puisse fouiner dans vos messages privés, on se doit, tout un chacun, d’honorer la confidentialité des messages privés que nous recevons.

Ity ezaka ity dia toa sahala amin'ny mikendry ny hangalatra ny solonanarana sy ny tenimiafin'ireo mpampiasa mba hitsikilovana ny hafatra manokan'izy ireny. Mitady ny hitsofoka any anatin'ny kaontin'olona any ny polisy mba hahafantarana hoe iza no mifandray amin'iza ary miresaka inona. Ny tanjona farany dia ny handravana ireny tambajotrana olon-tsotra mpampita vaovao ireny izay niforona ho azy teo taorian'ny hetsi-panoherana tao Sidi Bouzid.

Ny zava-nitranga tao Sidi Bouzid, dia nanamafy ny anjara toerana lehibe tànan'ny tambajotra sosialy amin'ny fahafahana manely vaovao. Saingy hatramin'ny nanombohan'ny hetsika, tsinjo ho nisy fanelingelenana ny tambajotra. Raha raisina ny tranga nahazo ny Facebook, ny fifandraisana, tafiditra amin'izany ny fampiasàna HTTPS (fifandraisana voaaro) hidirana ao, dia tena natetika mihitsy no tsy tafita. Tamin'ity indray mitoraka ity ny fitondrana Toniziana dia tsy sahy nanakana manontolo ny tolotra rehetra tao amin'ny Facebook, izay tambajotra sosialy be mpampiasa indrindra ao Tonizia. Tamin'ity ny governemanta dia toa nikendry manokana ireo izay mampiasa azy ity ho fanapariaham-baovao.

Na amin'inona na amin'inona, dia mampahatsiahy an'ireo rehetra mpampiasa Facebook izahay, indrindra fa raha toa izy ireo ka avy ao Tonizia no miditra aminy: AZA MIDITRA MIHITSY avy amina pejy tsy voaaro. Na dia tsy manan-javatra hafenina aza ianareo, aza adino mandrakariva fa arofanin'ireo olona mandefa hafatra manokana ho anareo ianareo. Na dia tsy dia mampihontsona anareo loatra aza ny hoe misy olona tafiditra mijery ny mailaka manokana anareo, tsy maintsy manaja ny tsiambaratelon'ireo hafatra manokana nalefa ho anareo ianareo.

Tsy ela dia nanavatsava teny anivon'ny media sosialy ny vaovao momba ilay fanafihana ny kaontin'ireo mafàna fo.

Mitatitra [11] i @SBZ_news :

Ambava-basin'ny polisin'ny Cyber Toniziana ireo mpitoraka bilaogy, miezaka mitsikilo ireo rehetra nanohana ny  #sidibouzid [12] na ny #OperationTunisia [13]

Nandefa tweets [14] i Naser Weddady, Maoritaniana mafàna fo:

Miainga avy amin'ny vaovao nampitain'ireo olona ao  #Tunisia [15] dia misy lasitra iray mipongatra: ny kaonty Facebook voajirika dia ireo mifandrohy amina kaonty mailaka Yahoo #sidibouzid [12] #Ammar404 [16]

ary manampy [17]:

#Tunisia [15] ilay mafàna fo @benmhennilina [18] & mpanao gazety @Sofien_Chourabi [19] lasibatra noho ny  firesahana tamina media vahiny #sidibouzid [12] #Ammar404 [16]

Raha mampitandrina [20] kosa i @spiralis1337 :

Mijirika kaonty Facebook ny polisy Toniziana mba hanangonana porofo http://goo.gl/QYiEu [21] Samia mitandrina ianareo #Anonymous [22] #OpTunisia [23] #SidiBouzid [24]

Ary ampian'i [25] Seifeddine Ferjani :

#sidibouzid [12] ny fijirihana mailaka sy kaonty Facebook dia manaporofo fa orinasan-jiolahy ny governemanta Benali.

Ary raha tsy mbola ampy izay, ao anatina famelabelarana misimisy kokoa dia nandefa tweets [26] i @nayzek :

RT @nayzek [27] haha Ankehitriny ny manampahefana (?) toa miantso an-telefaonina ny olona tsirairay mangataka azy ireo hanatsahatra ny fampakàrana video momba ny #sidibouzid [28] ao amin'ny FB 🙂 #opTunisia [29]

Ho an'ireo tweets ao amin'ny Operation: Tunisia, jereo ny tenifototra #optunisia [30]
Ary ho an'ireo tweets maro momba ny Sidi Bouzid sy Tonizia, jereo ny tenifototra  #SidiBouzid [31] sy #Tunisia [32], izay misy fanavaozana matetika miaraka amin'ireo famelabelarana farany avy eny ifotony.