Velona indray ny Baolina kitra ao Indonezia

Resy ny Indoneziana tamin'ny fihodinana faharoa tamin'ny lalao fiadiana ny ho tompon-daka nanoloana ny ekipa Tiger of Malaya, mpilalao baolina kitra Malaeziana. Na teo aza ny voka-dàlao 2-1 azon'i Indonezia, nandresy tamin'ny fitambaran'isa ny tarika Maleziana.

Ny famaranana ny Amboaran'ny Federasionan'ny Baolina kitra ASEAN   nihaonan'i Indonezia sy Malezia no famaranan-taona isan'ny tena nandrasana indrindra.

Talohan'io tamin'ny andro nialoha ny Noely, tao amin'ny kianja Bukit Jalil Stadium, azon'i Malezia tamin'ny 3-0 ny fihodinana voalohany nanoloana an'i Indonezia.

Hatramin'ny nanombohan'ny Fiadiana ny Amboaran'ny AFF, ny tarika Indoneziana dia nahavita namondrona ny fitiavana ny an'ny tena, ny fifantohan-tsain'ny media ary ny resabe nandeha.

Ny lalao tao amin'ny GBK Stadium ao Jakarta. Sary avy amin'i Citra, mpampiasa Plixi


Ireo mpanohana Indoneziana. Sary avy amin'i Hasanuddin Ali , mpampiasa Plixi .

Sary mivantana avy amin'ny toeram-pivarotana lehibe iray ao Jakarta. Sary avy amin'i Ranie Primza.

Ny ankabeazan'ireo birao sy toerana ho an'ny daholobe, toy ny fivoriana ary gallery misokatra koa ho an'ny fandraisana mivantana ny sarin'ny lalao. Sary avy amin'i Prast Lampard.

Andro iray nialoha ny fihaonana, nanoratra lahatsoratra iray tany anaty bilaogy i Bambang Pamungkas:
“Zavatra tsy azo vinaniana mialoha ny lalao baolina kitra. Mety hanafintohina anao ny vokatra sasany, saingy izay zavatra izay no tena mahatonga azy io hisy fy, ao anatin'io ny misiteriny”
Nandefa fisainana momba ny faharesen'ny ekipam-pirenena talohan'ny Noely izy:
Di tengah optimisme akan kebangkitan persepakbolaan kita yg begitu melambung tinggi, kekalahan telak tersebut bak sebuah petir di siang bolong.
[…]
Keceriaan dan teriakan kemenangan itu tidak terdengar lagi, yg samar-samar terdengar hanyalah suara hembusan napas panjang dan decakan penyesalan yg keluar para pemain yg masih nampak setengah tidak percaya..
[…]
Sesaat sebelum memimpin doa penutup, saya meminta waktu kepada Riedl untuk berbicara di depan semua pemain. Dengan setengah berteriak saya berkata “Rekan-rekan kekalahan ini harus berhenti di ruangan ini. Kita tidak memerlukan pembahasan yg lebih panjang mengenai apa yg terjadi malam ini, tidak ada saling menyalahkan tentang apa yg terjadi di lapangan tadi. Kita menang bersama-sama dan sudah seharusnya kita juga kalah bersama-sama”.
Ao anatin'ny vanim-potoana nahabe fanantenana ny fiakaran'ny lalao baolina kitrantsika, dona mafy tokoa ny faharesena.
[…]
Ny fandrisihana sy ny hiakam-pandresena dia tsy re intsony, ny hany sisa re dia ny sento lalina tsy hay tohaina avy amin'ireo mpilalao.
[…]
Fotoana fohy talohan'ny vavaka famaranana, nangataka tamin'i Riedl mpanazatra aho mba hahazo miteny manoloana ireo mpiray tarika amiko. “Ry namako, mijanona eto amin'ity efitrano ity ny faharesena. Tsy ilaintsika ny hamisavisa izay zava-nitranga, na isika hifanome tsiny samy isika momba izay nitranga teny an-kianja. Niara-nandresy isika, ary raha alaina amin'izany, niara-resy koa isika”

Sambany teo amin'ny tantaran'ny baolina kitra Indoneziana, ary noho ny media sosialy toy ny Twitter no afaka nandrisika malalaka ny ekipam-pirenena ireo mpankafy, namoaka ny tao an-tsainy momba izay hoavin'ny baolina kitra Indoneziana, ary nifandray tamin'ny sasany tamin'ireo atleta aza.

@bepe20 : Ternyata 6 kemenangan dan hanya sekali kalah, belum mampu membawa pulang trophy itu saudara-saudara.. Tetap Semangat…!!!

Fandresena enina ary faharesena 1, na izany aza tsy mbola azontsika nentina nody ny amboara, tompokolahy sy tompokovavy. Atanjaho ny saina!
@IrfanBachdim10:  Indroa nandresy an-dry zareo isika!! Tsy ampy anefa izany hahazoana ny amboara. Saingy isika no MENDRIKA INDRINDRA tamin'ny fifaninanana rehetra! Ary ireo mpanohana antsika no mendrika indrindra!!
@IrfanBachdim10 : Ireharehako ireo mpanohana indoneziana! Fatratra ianareo! Tena ny mendrika indrindra amin'izay mety ho mpanohana manerantany!! Ireharehako ianareo rehetra sy ny maha Indo ahy!
@okto_maniani  : Dukungan yg luar biasa dr para suporter merupakan kehormatan bagi kami.tim kita yg terbaik,suporter kita yg terbaik.
Ny fanohanana mahazendana avy tamin'ireo mpanohana dia voninahitra lehibe ho anay. Ny ekipantsika no mendrika indrindra, ny mpanohana antsika no mendrika indrindra.
Ireo resabe

Na izany aza, voaloton'ny resabe ihany ny Fiadiana ny Amboara AFF 2010. Nanomboka tamin'ny taratra laser nampiasaina hanelingelenana ny mpiandry tsato-kazo nandritra ny lalao, fisavoritahana tamin'ny fivarotana tapakila, ary ny fangatahan'ny olona ny fametraham-pialan'i Nurdin Halid filoha mpitarika ny PSSI (Indonesian Football Association) izay nahabe resaka.

Nokianin'ireo Indoneziana mpankafy baolina kitra i Halid [id] noho ny kolikoly misovoka ao anatin'ny PSSI ka niteraka, ankoatry ny zavatra hafa, tsy fahalavorarian'ny fikarakarana ny baolina kitra eo amin'ny firenena, ny faharatran'ireo mpanohana mandritry ny lalao noho ny fitandroana filaminana tsizarizary, ary ny lalao voavidim-bola noho ireo mpitsara manao kolikoly.

Nandritra ny lalao famaranana nifandonan'i Indonezia sy Malezia, namoy aina ireo mpanohana henjana nitondra ny sora-baventy milaza hoe  “Nurdin Turun” (midika hoe Mialà i Nurdin!).


Sorabaventin'ireo mpanohana sy hiaka mangataka an'i Halid hiàla. Video ao amin'ny eihcrats.

Manakoako any amin'ny  Twitter sy Facebook ny hetsika fangatahana ny fialàn'i Halid.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.