Nanambara ny fitsaharan'ny fiakaram-bidin'ny solika nandritra ny faran'ny taona ny governemanta Jordaniana. Ny vidin'ny entona fandrehitra, raha alaina ho ohatra ny benzine, dia niakatra 9 isan-jato, raha 6 isan-jato kosa ho an'ny vidin'ny gazole sy ny kerosene. Maro ny Jordaniana no naneho ny tsy hafalian-dry zareo tamin'ny alalan'ny esoeso manafintohina sy mahadrohadro.
Muneer Saifi dia nandray ho teboka niaingàna ny fandaharan'ny faran'ny taona [1]:
Mirary taom-baovao sambatra miaraka amin'ny fisondrotam-bidy 9% amin'ny vidin-tsolika e, iravoravoy ny 2011 #JO
Zalmasri nandefa tweet [2]:
Fanomezana faran'ny taona avy amin'ny governemanta. Fisondrotana maherin'ny 9% amin'ny vidin-tsolika. Arahaba daholo tratry ny taona vaovao #jo
izay novalian'i [3] Basem Aggad hoe :
zava-tsahaza 1, tsy nisy tsaratsara kokoa ho anay angaha! #JO RT @zalmasri Fanomezana faran'ny taona avy amin'ny governemanta. Fisondrotana maherin'ny 9% amin'ny vidin-tsolika.
Loia Taha [4] niresaka ny mety ho, vahaolana mahatsikaiky azo hasolo ny solika:
Sondro-bidy 9% amin'ny solika!! Sahy miloka aho fa hahita soavaly sy ampondra maro hameno ny arabe isika.. mora kokoa, na izaho aza mety hividy iray ato ho ato #jo
Janabi manolotra [5] soso-kevitra iray hafa:
Veloma ry Octane 95, Arahaba ry Octane 90 🙁 #JO
Izay novalian'i [6]Loai Taha hoe:
Veloma ry Benzine… Arahaba ry rano: RT @janabi: Veloma ry Octane 95, Arahaba ry Octane 90 🙁 #JO
Ali Dahmash, kosa, nandefa fanakianana mivaivay [7] mikasika ilay fanapahan-kevitry ny governemanta:
@YasserBurgan @primeministry Ny fomba nikajiana ireo vidin-tsolika eto Jordania dia toa tsy hita fototra sy tsy araka ny zava-misy, tsy azo hamarinina akory.
Yasser Burgan namaly fa [8]:
@AliDahmash Firenena mpanafatra angovo isika. Io dia tandindon'ny vidin-tsolika misy eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena fotsiny ihany. @PrimeMinistry #Jo
ary nanohy [9]:
@AliDahmash Na izany aza, ny vidiny eny amin'ny toby mpaninjara eto #Jo dia latsaka 50% amin'ny vidiny any #Greece. @primeministry