Jordania: Fanehoan-kevitra tao amin'ny Twitter mikasika ny fisondrotan'ny Solika Sivy Isan-Jato

Nanambara ny fitsaharan'ny fiakaram-bidin'ny solika nandritra ny faran'ny taona ny governemanta Jordaniana. Ny vidin'ny entona fandrehitra, raha alaina ho ohatra ny benzine, dia niakatra 9 isan-jato, raha 6 isan-jato kosa ho an'ny vidin'ny gazole sy ny kerosene. Maro ny Jordaniana no naneho ny tsy hafalian-dry zareo tamin'ny alalan'ny esoeso manafintohina sy mahadrohadro.

Muneer Saifi dia nandray ho teboka niaingàna ny fandaharan'ny faran'ny taona:

Mirary taom-baovao sambatra miaraka amin'ny fisondrotam-bidy 9% amin'ny vidin-tsolika e, iravoravoy ny 2011 #JO

Zalmasri nandefa tweet:

Fanomezana faran'ny taona avy amin'ny governemanta. Fisondrotana maherin'ny 9% amin'ny vidin-tsolika. Arahaba daholo tratry ny taona vaovao #jo

izay novalian'i Basem Aggad hoe :

zava-tsahaza 1, tsy nisy tsaratsara kokoa ho anay angaha! #JO RT @zalmasri Fanomezana faran'ny taona avy amin'ny governemanta. Fisondrotana maherin'ny 9% amin'ny vidin-tsolika.

Loia Taha niresaka ny mety ho, vahaolana mahatsikaiky azo hasolo ny solika:

Sondro-bidy 9% amin'ny solika!! Sahy miloka aho fa hahita soavaly sy ampondra maro hameno ny arabe isika.. mora kokoa, na izaho aza mety hividy iray ato ho ato #jo

Janabi manolotra soso-kevitra iray hafa:

Veloma ry Octane 95, Arahaba ry Octane 90 🙁 #JO

Izay novalian'i Loai Taha hoe:

Veloma ry Benzine… Arahaba ry rano: RT @janabi: Veloma ry Octane 95, Arahaba ry Octane 90 🙁 #JO

Ali Dahmash, kosa, nandefa fanakianana mivaivay mikasika ilay fanapahan-kevitry ny governemanta:

@YasserBurgan @primeministry Ny fomba nikajiana ireo vidin-tsolika eto Jordania dia toa tsy hita fototra sy tsy araka ny zava-misy, tsy azo hamarinina akory.

Yasser Burgan namaly fa:

@AliDahmash Firenena mpanafatra angovo isika. Io dia tandindon'ny vidin-tsolika misy eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena fotsiny ihany. @PrimeMinistry #Jo

ary nanohy:

@AliDahmash Na izany aza, ny vidiny eny amin'ny toby mpaninjara eto #Jo dia latsaka 50% amin'ny vidiny any #Greece. @primeministry

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.