- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Jordania: Fifandonana nanaraka ny fifidianana tao amin'ny Anjerimanontolo

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Jordania, Fanabeazana, Fifidianana

Ny 21 Desambra 2010 teo dia nampanao fifidianana ny ho governemantan'ny mpianatra ao aminy ny Anjerimanontolon'i Jordania. Noho ny fisian'ny tatitra momba ny herisetra sy tsy fetezan-javatra nandritra ny fifidianana, namoaka fanambaràna haingana ny Anjerimanontolo manohitra ny filazana fa hoe nisy korontana. Herinandro roa latsaka taty aoriana, mbola nisy korontana hafa indray nitranga. Hoy i Hamzeh Lattouf nandefa tweet [1]:

الحرس الجامعي حاول وقف المشاجرة في الجامعة الاردنية باستخدام خراطيم المياه

Nezahan'ireo mpiambina ny Anjerimanontolo nofehezina tamin'ny alalan'ny fantson-drano ihany ny korontana tao amin'ny Anjerimanontolon'i Jordania.

Avy eo i Lattouf nandefa andiana tweets mangataka an'i [2] Walid Maani, Minisitry ny Fampianarana Ambony, mba hitondra fanavaozana hisorohana ny herisetra:

YE @WalidMaani mba diniho. karazan'olona toy inona moa no manao korontana toy izao, ireo tsy dia manam-bintana loatra ve sa ny hafa, atombohy amin'ny fanekena azy ireo any amin'ny Anjerimanontolo samihafa any

Avy eo i Lattouf dia nandefa  video [3] tamin'ny alalan'ny twitter manasongadina ny fifampitoraham-bato ifanaovan'ny mpianatra, ary  olona iray nentina tamin'ny filanjana marary [4]:

طوشة السلطية والحمايدة في الجامعة الاردنية | http://www.youtube.com/watch?v=4WUdbdazS2E #Amman #JO

Jordan university clashes [5]

dikasarin'ny fàfana avy amin'ny video tao amin'ny YouTube nampakarin'i Farislord

2 طوشة السلطية والحمايدة في الجامعة الاردنية http://www.youtube.com/watch?v=Tdynl17eviQ #Amman #JO

Fifandonana teo amin'ny al-Saltiya sy al-Hamayda tao amin'ny Anjerimanontolon'i Jordania.

Koa satria nisy nanely tamin'ny tweet ilay video, ireo Jordaniana tahaka an-dry Nada Abandah dia nanampy ny fahaketrahan-dry zareo [6]:

Mpianatry ny Anjerimanontolo ve sa karazan'andian-jiolahy #Jo http://ow.ly/3wCf2

Mohammed Yousef nanampy ny fanamelohany [7], sady nanao ho teny fototra ny Maani:

izao no fitotongan'ireo anjerimanontolo ao #Jordan  http://youtu.be/4WUdbdazS2E cc: @WalidMaani #Jo

Ali Al-Hasani nandefa tweet [8]:

Mba afaka miteny zavatra iray monja ve aho alohan'ny hidirantsika amin'ny taona 2011? MISAOTRA AN'ANDRIAMANITRA FA TSY NIANATRA TAMINA ANJERIMANONTOLO TAO JORDANIA AHO NA IRAY AZA! http://youtu.be/4WUdbdazS2E #Amm

Ao amina firenena iray mirehareha amin'ny fahalavorarian'ny fampianarany, mety ho ilaina mihitsy ny fandraisan'andraikitra avy amin'ny governemanta mba hisorohana ny fifandonana hafa indray.