- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mametraka sivana amin'ny fanaovana gazety i Hongria

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Fitsipika, Media sy Fanoratan-gazety, GV Mpisolovava

Efa zava-mahazatra any amin'ny faritra maro ny sivana atao amin'ny fampahalalam-baovao, saingy tsy nisy nisaina mihitsy hoe firenena iray ao afovoan'i Eraopa no handeha hizotra amin'izany làlana izany. Eny, te-hanova an'izany i Hongria.

Hoy i The Raw Story [1],

“Ny governemanta avy amin'ny elatra havanana vao voafidy teo ao Hongria dia nandroso lalàna iray mangataka – raha tsy izany dia ho tataovan'ny sazy ara-bola sy fanakatonana – mba ho “marina sy tsy mitanila” ny loharanom-baovao ka nindrana fehezanteny avy amina tambajotram-baovao Amerikana iray. Ilay fikisahana dia nahazo fanakianana mampahatahotra hoe hitarika mankany amin'ny fanampenam-bava ireo mpampita vaovao mpanakiana.

Ao anatin'ilay lalàna vaovao momba ny Fampitam-baovao sy ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovan-Gazety, ny Fahitalavi-panjakana izay ny rako-baovao alefany dia tsinjo ho “tsy voalanjalanja na manohintohina ny maha-olona na ny toe-tsaina ara-moraly iombonana  dia “tokony handoa sazy  1 tapitrisa dolara any ho any,…”

Ny fikisahan'i Hongria mankany amin'ny fampitam-baovao “marina sy tsy mitanila” bebe kokoa dia tonga ao anatina vanimpotoana iray hiomanany indrindra hisàhana ny  Fitantanana ifandimbiasana ao amin'ny Vondrona Eraopeana. [2] Hahaliana ny hijery izay fomba hampifandanjàn'ity firenena ity ny politika vaovaony momba ny fanaovan-gazety manoloana ny zava-misy eo amin'ny Vondrona Eraopeana izay mitaky amin'ireo firenena mpikambana ao mba hanàja ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety.