Tantara tamin'ny 31 Desambra 2010
Kazakhstan: Akon'ny Fihaonamben'ny OSCE
Hatrany amin'ny fisasahan'ny taona 2000 tany i Kazakhstan no efa nikendry fatratra ny hitarika ny Fikambanam-piaraha-miasa sy Filaminana ao Eraopa, na OSCE, fikambanana iraisam-pirenena isan'ny lehibe indrindra mpandàla ny demaokrasia eo amin'io kaontinanta io. Betsaka tamin'ireo firenena mpikambana no nanatsiny ilay fikasana noho ny faharatsian'ny fanajàna zon'olombelona misy any Kazakhstan.
Lalao baolina soccer Malezia-Indonezia nivadika ho fifanaovana teny mahery (Taim-bava)
Malezia sy Indonezia no ekipa roa tonga tamin'ny famaranana ny lalao fiadina izay ho tompon-dakan'ny Asean Football Federation Suzuki Cup. Tenifototra roa no namadika azy ity ho lasa lohahevitra teo anivon'ny vohikala, ‘Hate Malaysia’ sy ‘#loveindonesia’ satria naneho ny tsy fahafaliany tamin'ny faharesen'ny tarika notohanany tamin'ny lalao fihodinana voalohany ireo Indoneziana mponin'ny aterineto
Afrika: Tsy mampandroso an'i Afrika ny rafi-panabeazana ara-dalàna
Miteny i Nana fa tsy mampandroso an'i Afrika ny rafi-panabeazana ara-dalàna: “Aoka hiaiky an'izany isika – ny rafi-panabeazana ara-dalàna any Ghana sy ny ankamaroany aty Afrika dia voarafitra hanabeazana ny...
COP16: Famaranana avy amin'ireo Tanora Mpikaroka
Niblaogy ireo tanora "mpikaroka" avy amin'ny Tetikasa Manangàna mpanelanelana nandritra ny Fivorian'ny Firenena Mikambana momba ny Fiovaovan'ny Toetr'andro, izay natao tany Cancun, Mexico. ireto ny santionany amin'ny fanambarana sy eritreritra farany momba izay nitranga tao amin'ny COP16 avy amin'ny fomba fijerin'ny fireneny trsirairay avy.