Okraina: Rà tao amin'ny Parlemanta

Ny 16 Desambra, dia nisy ady nangotraka nipoaka (ENG) tao amin'ny Parlemanta Okraniana, izay nahatonga mpanao lalàna efatra farafahakeliny naiditra hopitaly noho ny ratra goavana.

Tsy voatana intsony ity fifandirana ity ny takarivan'ny Alakamisy teo, rehefa niakatra teny an-tsehatry ny Parlemanta nisy an’ ireo mpikamban'ny vondrona Yulia Tymoshenko manohitra ny lalàna mikasika heloka bevava (ENG) anenjehana ny lehibeny ny Ankolafin'ireo faritra mpomba ny fitondrana.

Ireo fanehoan-kevitra mikasika ity fampahalalam-baovao tamin'ny fantsona fahitalavitra 1+1 (ao amin'ny YouTube – eto), dia mampiseho ireo mpanao lalàna mpomba ny filoha manompa sy manipy seza any amin'ireo mpifanohitra hevitra aminy, maneho ny hatezeram-bahoaka tamin'ity tranga ity.

Lola dia manoratra (UKR):

Гидко і страшно. І це еліта нашої країни! Матюкаються як не знаю хто… братва біля влади, тепер вони це регулярно демонструватимуть(.

Mahatsiravina sy mahatahotra ity izy. Dia ireo no sangan'ny firenentsika! Mianiana tahaka ny tsy fantatro hoe iza re ry zareo … nahazo fahefana ny jolahim-boto, afaka mampiseho izany araka ny lalàna amin'izay ry zareo izao (.

layer ihany koa dia very fanantenana amin'ireo Solombavam-bahoaka (UKR):

за що голосували- те й отримали це відео ще раз засвідчить Європі, яка в Україні “демократія”

Ny nisafidiana(ntsika) – azo(ntsika) izy izao. Mbola mampiseho hatrany amin'i Eraopa ny karazana “demokrasia” ananantsika aty Okrainiana ity lahatsary ity

Na dia tsy ity aza no fotoana voalohany nifampikasihan-tànan'ny Solombavam-bahoaka herisetra mivantana (jereo ity lahatsoratry ny GV ity), dia toa maneho zana-tohatra iray vaovao indray amin'ny maridrefin'ny herisetra sy ny fikarakarana ity tranga ity. Maro tamin'ireo Solombavam-bahoaka ireo aza no tsiravina.

Ny Mpikambana ao amin'ilay Vondrona Yulia Tymozhenko, Andriy Shevchenko (@ashevch) dia nandefa ity tweet manaraka ity avy ao anivon'ilay ady (UKR):

У Гнаткевича тиск 280 на 100. Реально шкода. Старший крихітний чоловік

Кріпко пом'яли старого Гнаткевича і Василя Кравчука

У Бондаренка перелом руки. Забрала швидка

Просто звірі. Обличчя всі ті самі. Наступний раз регіонали будуть штурмувати з ножами

280/100 ny tosidràn'i Hnatkevych. Tena mahamenatra. Lahy antitra kiritika kely [izy]

Voadarodaroka tokoa razokibe Hnatkevych sy Vasyl Kravchuk

Tapaka ny tànan'i Bondarenko. Lasan'ny Fiara Mpitatitra marary[izy]

Biby tsotra izao ihany [izy ireo]. Mitovy endrika daholo. Hifofofofo miaraka amin'ny antsy indray ny [Ankolafin'ny] Faritra amin'ny manaraka

Ho valin'izay, dia nanome soso-kevitra i @privet_bank ny amin'ny mba hananganana biraom-pitandro filaminana natokana handamina ny Parlemanta (RUS):

Уважаемый @ashevch, а почему до сих пор нету Парламентских Приставов в Раде? США такое проходили уже. Sergeant At Arms

Ry @ashevch, fa maninona no mbola tsy misy vadintanin'ny Parlemanta ao amin'ny Rada [Parlemanta Okrainiana]? Efa niaina zavatra sahala amin'izany ihany koa ny USA. Sergeant At Arms

Araka ireo tatitry ny media (UKR), ny fanafihana ny pilpitran'ny Parlemanta dia nomanina mihitsy ho tamin'ny 7 hariva, rehefa nandao ny trano fivoriana ireo mpanao gazety.

Ny Parlemanta mpanohitra Volodymyr Aryev, izay naka horonantsary ny fikononkononan'ireo solombavam-bahoaka tamin'ity fanafihana ity tamin'ny findainy, dia mitatitra (UKR):

Вони йшли по коридору ВР до сесійної зали, наче справжня банда на розборки. Ви би бачили ці обличчя… […] Жахливо і сумно, до чого докотилися ми, докотилася країна.

Nidina ny lalantsaran'ny Parlemanta izy ireo hankany amin'ny efitrano hanaovana ny fivoriana tahaka ireny jiolahy nivonona hiatrika ady ireny. Rha mba nahita ny tavan'izy ireo mantsy ianao… […] Mahatsiravina sy mampalahelo hoe hatraiza isika no nikororosy, hatraiza ny firenentsika no nitambotsitra.

Ireo tweet nalefan'i @ashevch avy any amin'ny toeram-pivoriana ihany koa dia manome soso-kevitra-na ambaratongam-panomanana (UKR):

[…] Дуже темно. Перед штурмом погасили майже все світло

[…] Tena maizina. Tapitra maty daholo ny jiro rehetra talohan'ny famelezana

Tamin'izay fotoana izay ihany, ny mpikambana ao amin'ilay Ankolafin'ny Faritra Oleh Tsariov, izay nandray anjara tao anatin'ilay famelezana, dia niantso ny fandratran'ny mpanohitra sy ny fahatongavan'ireo fiara fitaterana marary ho “toy ny theatra” (UKR).

Ny mpanao gazety sady mpitoraka bilaogy iray Oleksandr Hun’ko dia namehy tamin'ny fampifanatrehana ny herisetra ara-batana tao amin'ny Parlemanta sy ny lahateny fihantsiana ady nataon'ireo olon'ny Governemanta (UKR):

Нічого дивного в цьому нема. Такий у нас рівень влади. Президент не соромиться на погрози — “повідривати голови” чи “повідбивати руки”. Його слова тут же повторюють губернатори. […]

Слова мають здатність матеріалізовуватися. У квітні в парламенті так віддухопелили депутата Олеся Донія, що він кілька тижнів провів у лікарні, переніс операцію на спині. Нікого за це не покарали. У минулий четвер народні обранці знов зійшлися врукопашну в сесійній залі.

Tsy dia mahagaga. Izany ny haavon'ny Governemantantsika. Tsy menatry ny mandrahona ny Filoha – “tapaho ny loha[ny]” na “tapaho ny tana[ny]”. Naverin'ireo Governora avy hatrany ny teniny. […]

Maka endrika hita maso ny resabe. Tamin'ny aprily, voavely mafy ny Solombavam-bahoaka Oles’ Doniy ka dia voatery naiditra hopitaly nandritra ny herinandro vitsivitsy ary dia nodidina ny lamosiny. Tsy nisy voatonona ho tompon'andraikitra tamin'izany. Ary dia mbola nifamely tany amin'ny toeram-pivoriana ihany ireo mpitondra voafidy ny Alakamisy teo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.