28 Desambra 2010

Tantara tamin'ny 28 Desambra 2010

Okraina: Rà tao amin'ny Parlemanta

  28 Desambra 2010

Ny 16 Desambra, dia nisy ady nangotraka nipoaka (ENG) tao amin'ny Parlemanta Okraniana, izay nahatonga mpanao lalàna efatra farafahakeliny naiditra hopitaly noho ny ratra goavana. Mandinika ny bilaogy sy Twitter i Tetyana Bohdanova mikasika ny fihetsehan'ny vahoaka Okrainiana sy ireo mpanao politika.

Tonizia: Korontana nateraky ny fikasana hamono tena nataonà lehilahy iray tsy an'asa

Toniziana tsy an'asa iray no nikasa handoro ny tenany ho fanehoana tsy fankasitrahana amin'ny tsy fahitàny asa, ka niteraka onjan-kerisetra tao an-toerana sy fanehoana firaisankina ombam-panohanana teo anivon'ny tambajotra sosialy. Raha mbola tsy fantatra mazava izay niafaran'i Mohamed Bouazizi, 26 taona, avy ao Sidi Bouzid, faritra atsimon'i Tonizia, nopaingorin'ireo Toniziana mpampiasa aterineto ilay zava-nitranga mba hilazàna ny tsy fisian'ny asa, ny kolikoly sy ny fitsitontongan'ny zo maha-olona ao amin'ny firenen-dry zareo.