- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Côte d'Ivoire: Vahoaka mizotra mankany amin'ny “Revolisiona Orange” iray hafa?

Sokajy: Afrika Mainty, Cote d'Ivoire, Fahalalahàna miteny, Fifandraisana iraisam-pirenena, Hafanàm-po nomerika, Politika

Na dia efa tsy milamilana be ihany aza ny rivotra iainana [1] any Côte d'Ivoire, dia niakatra zana-tohatra vitsivitsy indray ny fihenjanana nandritra ny andro faramparany teo. Taorian'ny korontana tamin'ny 12 Desambra teo amin'ny antoko roa mpifanandrina sy ny fanalavàna ny tsy fahazoana mivoaka amin'ny alina nataon'i Laurent Gbagbo, dia miantso ny vahoaka ankehitriny i Alassane Ouattara sy ny mpiara-dia aminy [2]mba “hanao fanoherana faobe am-pilaminanana sy ara-demokratika mba hametrahana ny fitantanana ara-dalàna sy ara-drariny“.

[3]

Iray amin'ireo mpampiasa twitter tena mavitrika (@bzkdjc [4]) amin'ny #civ2010, ny twitter tena miaina ho an'ny Fifidianana Ivoriana, no nanome anarana ilay hetsika hoe “Mpanohitra miaraka amin'ny tanam-polo”:

“Mon 2010è tweet pour #civ2010 [5]: MARCHEURS AUX MAINS NUES nous serons ce jeudi. Sans violence, ns ne ferons que marcher.”

ny bitsiko faha-2010 #civ2010 : ho MPANOHITRA MITONDRA TANAM-POLO isika amin'ny Alakamisy. Tsy hisy herisetra, hiara-hizotra fotsiny isika.

Efa naparitaka eran'ny firenena io fanoherana io tamin'ny alalan'ny telefaonina sy ny Gazety Mpivoaka isan'andro eo an-toerana. Ny radio piraty FM 105.1 ( Radio Liberté ), nalefa avy ao amin'ny Hôtel du Golf, toerana ifaharan'ny governemantan'i Ouattara amin'izao fotoana dia mampahafantatra ny mponin'i Abidjan mikasika ny lalan'ny harahan'ny hetsika.  Omaly, raha tonga tany amin'ny fahitalavitra nasionaly ny Manam-pahefana mikasika ny haino aman-jery ao amin'ny governemantan'i Côte d'Ivoire (CNCA), dia nilaza fa ho henjehina ireo izay manaparitaka amin'ny fampielezam-peo ary nanonona ny fampielezam-peo amin'ny mariky ny onjam-peony marina, hoy ny mpampiasa twitter eo an-toerana (@Sanders225) mitsikera [6](fr) amin'ny fomba mahatsikaiky:

” Sans le savoir, la #RTI [7] et le CNCA donnent des auditeurs à la radio RHDP sur les105.1 FM #civ2010 [5]

“Tsy hitan'izy ireo akory hoe manosika ny mpihaino fampielezampeo ho any amin'ny RHDP (Antokon'i Ouattara) izy ireo amin'ny alalan'ny fanomezany ny halavan'onjam-peo 105.1 FM #civ2010″

Hanomboka ao amin'ny Hôtel du Golf ny hatsika, ary hifarana ao amin'ny Biraon'ny Radio Televiziona Ivoariana (RTI), ny hany TV nasionaly tokana mandeha any Côte d'Ivoire izay heverina ho haino aman-jery manohana an'i Gbagbo.

Nanoratra ity lamim-potoana ity [8]i Claudius Richmond, mpampiasa twitter Ivoariana mipetraka any Afrika Atsimo (@cjrichie007 [9] ) aninkeheo maraina:

#NowPlaying [10] Sors De Ma Télé [11] @TIKENJAHFAKOLY [12] dédié à Brou Amessan rdv dm1 à la maison “bleue”#civ2010 [5]

#NowPlaying Mialà eo amin'ny Fahitalavitro [11] @TIKENJAHFAKOLY [12] atolotra ho an'i Brou Amessan. Rahampitso mihaona eo amin'ny Trano Manga (fanamarihan'ny mpanoratra: TV nasionaly)”

Ny Filaminana no teny filamatra

Eo amin'ny #civ2010 [13], ny “Filaminana” no toa teny filamatra.

Sahala amin'ny namana mpampiasa twitter @bzkdjc [4], manasa ny Ivoariana rehetra ny mpampiasa twitter @toustoutes [14] ho eo amin'ny Twitter handefa lahatsoratra eo amin'ny #civ2010 asiana ny fomba fiteny hoe “Marcheurs aux mains nues” [15] amin'izay ny haino aman-jery mba hanely ny teny fa tsy misy herisetra ny hetsika fanoherana. Ny tanjona amin'izy ity ihany koa dia ny hampitandremana ny tafika miaramilan'i Gbagbo amin'ny tsy  hampiasany ny fitaovam-piadiana amin'ireo mpanao fihetsiketsehana:

#civ2010 [5] Utilisez largement les termes “MARCHEURS AUX MAINS NUES”, ça interdit aux FDS le recours à la violence.

” #civ2010 Ampiasao betsaka ny fomba fiteny hoe “Mpanohitra miaraka amin'ny tanam-polo”, hisorohana ny fampiasana ny herisetra ataon'ny FDS izany (fanamarihan'ny mpanoratra: Tafika miaramilan'ny Governemanta) “

Raha mijery ny didy [16] mikasika an'i Kenya navoakan'ny Fitsarana Heloka Bevava iraisam-pirenena farany teo (ICC) , dia milaza i @PaixCIV [17] (dika ara-bakiteny Fiadanana Côte d'Ivoire) :

#civ2010 [5] Pas d'appel à violence, Souvenez-vous TPI vous surveille. Personne ne tirera sur personne sur ce fil. Ni ailleurs non plus j'espère.”

#civ2010 Tsy misy antso ho amin'ny herisetra, Tadidio fa mijery antsika ny Fitsarana Heloka Bevava Iraisam-pirenena. Tsy misy olona tokony ho faty amin'ity korontana ity. Inoako fa na any an-kafa koa aza.”

Na dia ezaka lehibe aza no natao hiantohana ny rivo-pilaminana teo amin'ny tontolon'ny Twitter, misy ihany ny sasany izay maneho tahotra fa sao dia miharatsy ny toe-draharaha amin'ny Alakamisy. Mety hisy olona hilaza fa napetraka teo amin'ny #Civ2010 ny famerana araka ny tokony ho izy ny resaka mba hisorohana ny fiparitahan'ny tsaho: Mamaly an'i @Ivoirevox, izay nilaza fa [18] mety hitsofohan'ny mpikarama an'ady mitam-piadiana ilay hetsika izay mety hitifitra any amin'ny FDS, manoratra izao i @Koneissa:

“@ivoirevox [19] : Stp idiot, ta propagande communiste tu peux la faire ailleurs.Ici, on dévéloppe des arguments.#civ2010 [5]

“@ivoirevox: Aoka re ry adala, afaka ataonao any an-kafa ny fampielezan-kevitra kaominisitanao. Eto isika dia mamelabelatra hevitra. #civ2010″

Tsy misakana ny olona hatahotra ny ho fisian'ny fihoaram-pefy izany. Mampitandrinai @dogothetrue, mpampiasa twitter sy mpanohana an'i Gbagbo teo aloha:

#civ2010 [5] que Dieu ns donne de voir lundi 20. Qui vivra Vera. Pitié pour toutes ces âmes qui risquent de disparaitre .”

“#civ2010 Enga anie ny Tompo hamela antsika hahita ny hazavan'ny andron'ny Alatsinainy 20 Desambra. Izay ho velona no hahita. Famindram-po ho an'ireo fanahy izay mety tsy ho hita intsony.”

Mba hanoherana ny fiantraikany mavesatra avy amin'ny FDS, dia nandefa lahatsoratra lava izay ahitana sombin-tsosokevitra ho an'ireo  hanao fihetsiketsehana i @gabnorev [20]:

“Pour les lacrymogènes, un foulard imbibé de citron ou vinaigre permet de mieux respirer.”

Ho an'ny baomba mandatsa-dranomaso, ahafahanao miaina kokoa ny fehi-tenda vontosana vinaingitra na voasarimakirana”.

Izao rehetra izao dia nanosika ny mpampiasa Twitter hametraka lamina hanaraha-maso ny hetsika.

Fanarahamaso ny hetsika avy amin'ny vahoaka

Ny sasany toa an'i Diaby Mohamed, mpitoraka bilaogy eo an-toerana ary iray amin'ireo mpanindrahindra ny famelomana ny #civ2010 dia manontany ny zavatra mety hapetraka [21] handrakofana (hitaterana) ny hetsika, frantsay iray mafana fo, Emmanuel Letourneux, no manolotra hevitra [22]:

“Twitter depuis des telephones portables et des photos et films pour identifier les fauteurs de troubles éventuels #civ2010 [5]

“Mandefasa tweet avy amin'ny finday, sary sy horonan-tsary hamantarana ny mety ho mpanakorontana”.

Mitondra amin'ny sehatra wonzomai [23] izany, nandamina seha-pifaneraserana hanarahamaso ireo fihodinana roa tamin'ny fifidianana filoham-pirenena ny Ushahidi. Hampiasaina hanaraha-maso ny zavatra hitranga rahampitso ilay fitaovana satria (@jpehouman [24]) iray amin'ireo mpanatanteraka dia manasa ireo Ivoariana namany hanao izany [24]:

“pour reporter tt incident lié à la marche d demain en #civ2010 [5] n'hésitez pas à utiliser @wonzomai [25] http://bit.ly/f1U6xe [26]pr 1e large diffusion”

“mba hampitàna ny tsy fetezana rehetra mifandray amin'ny hetsi-panoherana rahampitso amin'ny #civ2010, mampiasà @wonzomai ho fizaràm-baovaon'ny mivelatra be”

Fihetseham-po avy amin'ny lafin'i Gbagbo

I Abidjan.net [27] no sangany amin'ny tranokalam-baovao amin'ny alalan'ny isan'ireo mpitsidika azy. Mampiantrano seha-pifaneraserana ara-politika [28] ny vohikala, izay ahitana olona, miafina na tsia, tonga hiresaka.

Seplou (solon'anaran'i Gbagbo izay midika ara-bakiteny hoe vorona mpanazava any Bété), mpampiasa forum tsy mitonon anarana no manoratra hoe:

“La RTI est toujours à cocody elle vous attends à bras ouvert. Tous les candidats à la mort sont la bienvenue. Mais ne pleurnichez pas après hein! Soyez digne dans la douleurs car vous aurez la réponse des FDS! A bon entendeur salut ! (…) Chair à canon de Allase Ouattara, réfléchissez dêh!” “

“Mbola miandry anao am-pitiavana any cocody (mpifanila vodirindrina amin'i Abidjan) ny RTI sy ny sandriny mivelatra. Tongasoa ireo te-ho faty mialoha. Fa aza mitaraina rehefa avy eo! Mba mahaiza mendrika ny alahelonao satria ianao mila miatrika ny valin-kafatry ny FDS (tafika miaramila)! raha antonona anao ny satroka, dia anaovy! ! (…) Ry mpamahana ny tafondron'i Alassane Ouattara, mandiniha indroa re!”

Nyty, mpampiasa ny seha-pifaneraserana tsy mitonona anarana iray hafa, no mampitandrina:

“venez c'est la que votre petit gros devenu ministre de golf dougou va savoir que votre dramane est indesirable,on vous attends venez”

“Tongava, eto ilay matavikelinao nanjary ministry ny Golf Hotel (Ny praiministra G. Soro) iny no hahita fa i Dramane (Ouattara) dia tsy tongasoa eto mihitsy, ianao no andrasanay, tongava fotsiny aoriany “