- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Karazana fahandroan-tsakafo Krismasy eo amin'ny Bilaogin'ny Sakafo amin'ny ankapobeny

Sokajy: Amerika Avaratra, Amerika Latina, Karaiba, Afrika Atsimo, Azerbaijan, Bolgaria, Brezila, Danemarka, Estonia, Etazonia, India, Indonezia, Meksika, Okraina, Però, Pôrtô Rikô (Etazonia), Tanzania, Trinite sy Tobago, Venezoela, Sakafo, Zavakanto & Kolontsaina
Christmas cookies [1]

mofo krismasy avy amin'ny Photolinda eo amin'ny Flickr (CC-BY-NC)

Midika hoe ‘mody an-trano’ ny Krismasy ho an'ny olona maro – nefa rehefa tsy mety izany, dia mety ho fampaherezana ihany koa ny mikarakara sakafo mahagaga. Nizara ireo nahandro fialan-tsasatra tena tiany ireo mpitoraka bilaogy manerana ny kaontinana maro. Miaraka amin'ireo, afaka manonofy ianao miverina an-tanindrazana na mitsidika toerana izay tsy mbola hitanao koa aza. Fa maninona ianao no mankalaza ny Krismasy amin'ity taona ity, ary inona no harosonao?

Sakafo eo an-toerana voatokana sy fahandrom-pianakaviana manana ny tsiambaratelony no tena mety aminao mba hananganana ny revy tena mety – na sakafo maraina Breziliana izany na rabanada [2], na Amerikana mofomamy marikivy misy lakirema kafe [3]na mofomamy Bulgariana, banitsa [4].

Mazotoa homana ary mirary Krismasy avy amin'ny mpitoraka bilaogin'ny Global Voices izay mizara ny rohy!

Afrika Atsimo - ‘ms_kamini’ mitoraka bilaogy ao amin'ny Deelishuss! ary mizara fomba fahandro ho an'ny atody hafa indray [5]izay tena tsara amin'ny andro mafana.

Tanzania – Manaova Pilau nentim-paharazana [6] miaraka amin'ny torolalan'i Miriam Rose Kinunda ao amin'ny Ny tsiron'i Tanzania.

Inde – Na ny sary na ny soratra mikasika ny Fomba fahandroan-tsakafo Goan dia manazava ny fomba fanamboarana sakafo manokana mamy Goan [7].

Indonezia – mankahery ny vao niditra hiezaka hanao ny sakafo manokana Manado [8] ny bilaogin-tsakafo Indoneziana, Cooking and Baking Laboratory amin'ny nahandro manokana coconut soufflé Klapertaart [9].

Azerbaijan – Nahazo ny tanora ny Krismasy any Baku [10], na dia tsy tena ankalazaina be aza izy any Azerbaijana. Manafatra ny filo strudel [11] kosa i Aygun Janmammadova [12]ho an'ireo izay tia olatra sy fromazy ary fanampina nahandro Azerbaijana no zaraina eo amin'ny Boky Nahandro AZ (AZ Cookbook) [13].

Bulgaria – Manasongadina ny Banitsa [14], mofomamy malaza miaraka amin'ny safidina voatavo, fromazy na anana manarona i Hit the Road Travel Blog. Fomba fahandroan-tsakafo hafa eo amin'ny Yellow Kitchen Bulgariana [15].

Ukraine – Andramo hoy Veggie Prairie Girl dika Gerda, ny potsitr'entona mamy kutia [16], na hifaninano ny tenanao miaraka amin'ny lasopy misy lovia roambinifolon'ny alin'ny Krismasy [17]nasehon'i Yasmin Coles eo amin'ny Friends Eat.

Estonia – anisan'ny sakafon'ny fotoam-pialan-tsasatra ny Red cabbage and beets [18] eo amin'ny bilaogin-tsakafo Nami Nami.

France – AnyAlsace [19] , karakaraina herinandro mialoha ny mofo krismasy bredela [20], ary tena miaraka tsara amin'ny sokola mafana na dite masiaka. Tadiavo ny dika tinao ao amin'ny bilaogy Frantsay Plumes d’Anges [21] na La peau d’ourse [22].

Danemark – Mandahatra ny tsara indrindra amin'ny sakafo Krismasy Danois [23]ny fiaraha-monina amin'ny aterineto ara-tsakafo Friends Eat ary nampiditra fampisehoana amin'ny alalan'ny horonan-tsary mikasika ny nentim-paharazana Ris à la mande [24]. Manazava ny fomba fanao manodidina ny sakafo [25]ny bilaogy EU Mom.

Amerika Latina – Mizara ny sakafo Krismasin'ny Amerika Latina lehibe [26]ny seha-pifaneraserana Intermaniacos : Hallacas [27] avy any Venezuela, Kolombiana buñuelos con natilla [28], vitel toné [29] avy any Arzantina, tamal de puerco [30] avy any México ary Peroviana panetón [31].

Mexico – manafatra ny ponche punch Krismasy Meksikana nentim-paharazana, ny mpanoratra mahaleo tena Lesley Téllez [32].

Perou – Ianaro ahoana ny fomba fanaovana nahandro klasika Perouviana, tamales [30], miaraka amin'ity horonan-tsary mikasika  ny reny sy ny zanakavavy miara-mahandro [33] ity.

Porto Rico – Mizara horonan-tsary YouTube maneho ny sakafo Krismasy Portorikana [34]feno ny tia mahandro sakafo Elba.

Trinidad & Tobago – Sarina Nicole aka. Nahita ny Trinidad's pastelles [35] tena hafa kely ho an'ny vanim-potoana i Trini Gourmet.

Etazonia – Avy amin'ny Kentucky ny Get Cookingn'i Joi, no nanome ny fomba fahandro na ho an'ny mofo Krismasy na ny menakely Krismasy [36].