27 Desambra 2010

Tantara tamin'ny 27 Desambra 2010

Karazana fahandroan-tsakafo Krismasy eo amin'ny Bilaogin'ny Sakafo amin'ny ankapobeny

Midika hoe 'mody an-trano' ny Krismasy ho an'ny olona maro - nefa rehefa tsy mety izany, dia mety ho fampaherezana ihany koa ny mikarakara sakafo mahagaga. Nizara ireo nahandro fialan-tsasatra tena tiany ireo mpitoraka bilaogy manerana ny kaontinana maro. Miaraka amin'ireo, afaka manonofy ianao miverina an-tanindrazana na mitsidika toerana izay tsy mbola hitanao koa aza. Fa maninona ianao no mankalaza ny Krismasy amin'ity taona ity, ary inona no harosonao?

27 Desambra 2010

Sodàna: fialan-tsasatra mahafinaritra sy fitsapa-kevi-bahoaka feno filaminana

Ireto misy sombina lahatsoratra farany amin'ny bilaogy mikasika ny Fitsapa-kevi-bahoaka amin'ny fahaleovan-tenan'i Sodany Tatsimo. Raha ny hevitry ny fifanarhana Naivasha tamin'ny 2005 eo amin'ny governemanta afovoany any Sodany sy ny Hetsika Liberasion'ny Vahoaka any Sodany, hanao fitsapa-kevi-bahoaka i Sodany Atsimo ny amin'ny hijanonana na tsy ho faritr'i Sodany amin'ny 9 Janoary 2011.

27 Desambra 2010

Côte d'Ivoire: Vahoaka mizotra mankany amin'ny “Revolisiona Orange” iray hafa?

Na dia efa tsy milamilana be ihany aza ny rivotra iainana any Côte d'Ivoire, dia niakatra zana-tohatra vitsivitsy indray ny fihenjanana nandritra ny andro faramparany teo. Taorian'ny korontana tamin'ny 12 Desambra teo amin'ny antoko roa mpifanandrina sy ny fanalavàna ny tsy fahazoana mivoaka amin'ny alina nataon'i Laurent Gbagbo, dia miantso ny vahoaka ankehitriny i Alassane Ouattara sy ny mpiara-dia aminy mba "hanao fanoherana faobe am-pilaminanana sy ara-demokratika mba hametrahana ny fitantanana ara-dalàna sy ara-drariny". Maneho fihetseham-po mialoha ilay fotoan-dehibe mamaivaiy loatra ny mpitoraka bilaogy:

27 Desambra 2010