- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nepal: Mpanao gazety notafihana noho ny fanaovana tatitra iraisam-pirenena

Sokajy: Nepal, GV Mpisolovava

[1] Shreedeep Rayamajhi, mpanao gazety Nepale dia sady mpanao gazety no mpitoraka bilaogy matihanina, manoratra ho ana Fikambanana Fampahalalam-baovao iraisam-pirenena toy ny GroundReport sy ny  CNN's iReport.  Rayamajhi dia manoratra ihany koa ho ana gazety an-tsoratra manana ny lanjany ao an-toerana ihany, toy ny ‘the Nepal Travellers Publication’, sady miasa ho an'ny Amerikana mpanao asa maimaimpoana ao  Kathmandu.

Nanomboka nahazo mailaka tsy misy sonia noho ny asa maha-mpanao gazety azy i Rayamajhi volana maro lasa izay, izay notateriny avy eo  tamin'ny 14 Novambra. Ny 16 Novambra, nilaza i Rayamajhi fa nisy nanafika, tapaka ny taolam-panaviny ary nioritra ny hato-tongony. Notateriny tamin'ny mpitandro filaminana tao an-toerana ny fanafihana nahazo azy, saingy satria izy mpanao gazety tsy miankina, tsy misy media manohana ao an-damosiny, dia tsy noraisina ho tena zava-dehibe ny momba azy. Nilaza taminay i Rayamajhi fa nitsahatra tsy nitatitra izy ary matahotra ny amin'ny ainy.

Araka ny tatitra iray nataon'ny  Komity Miaro ny Mpanao gazety [2], dia matetika no iharan'ny fanafihana miharo herisetra ireo mpanao gazety ao Nepal; tamin'ny 2010, tompona fanaovan-gazety telo no nisy nitifitra ho faty, ary enina raha kely indrindra ny mpanao gazety nisy namono [3] noho ny asan'izy ireny hatramin'ny taona 2000.

Ny tantaran'i Rayamajhi dia azonao vakiana amin'ny fomba nanoratany azy manokana [4] ao amin'ny Ground Report.