Tantara tamin'ny 20 Desambra 2010
Puerto Rico: Mitoetra ao amin'ny Anjerimanontolon'i Puerto Rico ny mpitandro filaminana
Taorian'ny fifaranan'ny fitokonana roa andro nataon'ny mpianatra, nitoetra tao amin'ny "campus" foibe an'ny Anjerimanontolon'i Puerto Rico ny mpitandro filaminana, voalohany izao hatramin'ny 1981, izay mialoha ny fitokonan'ny mpianatra amin'ny 14 Desambra. Mitobatobaka ny fanehoan-kevitra amin'ny tontolon'ny blaogy sy ny media sosialy.
Tohano ny Global Voices: Ampio ho lasa toerana mifandrohy bebe kokoa izao tontolo izao
Na eo aza ny fanohanana maro avy amin'ireo mpanolo-tena entanim-pitiavana, mila fanohanana ara-bola ihany izahay mba hampiodinana sy hampiroboroboana ity tetikasa ity. Nanjary taninketsa ho ana tetikasa goavana sy mitondra fivoarana nanerana ny tany ny Global Voices. Rehefa manome fanampiana ianao, tsy hoe manohana fotsiny ireo vohikala 20 efa novokarinay (amina tenim-pirenena 17 !) - fa manosika anay koa ianao hahatanteraka ny fanohanana ireo tetikasam-pampivoarana sy fanandràmana mba hahazoana antoka fa ny tetikasanay dia ho afaka hitohy hiara-dàlana amin'ny fiovàna mihazakazaka, tsy mitsahatry ny aterineto azo entina mandehandeha.
Ny fomba fiasan'ny fanivanan'ny ICANN TLD afenina any anatin'ireo antsipirihan'ny toro-lalàna ho an'ny mpirotsaka
Ao anatin'ireo antontan-taratasy miavosa miresaka ny politika & ny lalàna, dia mety hila fitrandrahana kely ny fitadiavana ireo tena resaka marina ao anatin'izany. Tsy misy hafa loatra amin'io fomba fijery...