Manana soso-kevitra tena hafakely ny Radio Continental Drift : nanatontosa laharana horonantsary mifangaro izy ireo izay tena mifantoka kokoa amin'ny resaka manodidina ny hafanam-po, ny kolotsaina ary ny zavakanto any Afrika avy amin'ny alalan'ireo horonampeo tamin'ny atrikasan'ny fampielezam-peo sy ny fakàna horonantsary tamin'ny tanàna maromaro tany Kenya sy Oganda.
Manomboka amin'ny fandefasana horonampeo ampiasaina eo ambany fiarovan'ny Creative Commons Share-alike ho santatra am-bavarano ny fangaro aorian'ny horonantsary, izay inoana fa mba hitarika ny hafa ihany koa hampifangaro azy ireo. Araka ny hazavain'izy ireo eo amin'ny lahatsorany Sofina mitehaka amin'ny tany ( An Ear on the Ground):
Notahirizina izy ireo ho isan'ny ampahany amin'ny dia lavitr'ezaka mankamin'ny “Afrika” & atrikasa ho an'ny làlan'ny horonam-peo mamakivaky ny tanibe .
Natao hampiditra ny artista & ny fikambanana, ny sehatra ara-kolotsaina, ny fandraisan'anjara mavitrika, ny ara-tsosialy sy ara-politika izay sedrain'ny radio continental drift ihany koa ny lisitry ny horonam-peo eo amin'ny www.archive.org.
Eto amin'ity lahatsoratra ity mizara ny endriky ny fampakàrana vontoaty avy any Nairobi izy ireo:
Ity ny iray amin'ireo horonantsary izay antsoin'izy ireo hoe ” rodobe ho an'ny horonantsarin'ny làlana” . Noraketina tao Nairobi, Kenya, ahitana fangarona hira sy tafatafa mivantana mikasika ny fandaniana, ny fitiavam-bola, ny laza sy ny zava-mahadomelina:
Ity iray manaraka ity kosa dia toy ny reniranon'ny fahatsapàna mikasika ny reggae, ny herisetra sy ny fandrosoana :
Avy any Kampala, any Oganda ireto horonantsary roa manaraka ireto mikasika ny mozika sy ny fahendrena mety ho hita ao anatin'ny hira :
Fanampim-panazavana bebe kokoa no azo jerena ao amin'ny bilaogin'izy ireo, Radio Continental Drift, izay mampifandray ihany koa amin'ireo loharano tsy voasoratra ka afaka afangaro.
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...