- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Shina: Tsy misy “seza foana” nahazo alalana hiseho aterineto

Sokajy: Shina, GV Mpisolovava

Tsy afaka nanatrika ny lanonana Loka Nobel ho an'ny Fandriampahalemana tany Oslo, Norvezy, natao omaly i Liu Xiaobo sy ny vadiny. Nanokana “seza foana” (tsy misy olona) ihany ny Komitin'ny Loka Nobel ho toy  ny fanamarihana hoe nanatrika teo i Liu.

Ho mariky ny fanohanan-dry zareo an'i Liu sy hanapariahana ny vaovao momba ny Loka Nobel ho an'ny Fandriampahalenana amin'ny aterineto, roa andro talohan'ny lanonana Nobel dia maro ireo Sinoa mponin'ny aterineto no nanomboka nanely ny sary sy ny tantaran'ny “seza foana” tamin'ny alalan'ireo sehatra fifampiresahana, tranonkala sy fitorahana bilaogy madinika. Na izany aza, nanodidina ny tolakandron'ny omaly, ny teny Sinoa manao hoe “空椅子” (midika hoe Seza foana) dia nivadika ho lohahevitra politika saropady. Izay rehetra hafatra sy sarina “seza foana” tany anaty sehatra fifampiresahana tanaty tranonkala sy fitorahana bilaogy madinika dia nofafan'ireo mpanara-maso ny tranonkala avokoa na tsy azon'ny daholobe jerena.

Toy ny hoe nametraka rafitra fanairana ilay milina mpanivana ka omaly dia lasa any amin'ny famantarana “mena” izy io. Ankoatry ny sivana efa mahazatra toy ny hoe Liu Xiaobo, Liu Xia, Loka Nobel, Loka Fandriampahalemana, dia nisy zava-nahazendana nisongadina, manamarika i [1] EXSBN :

昨天功夫网发飙了,谷歌的appspot平台,所有域名全被封锁。推特的API死了一片片,好安静的推特。

Tafakatra tamin'ny faratampon'ny fiàsany omaly ilay milina Great Fire Wall. Voasakana daholo rehefa mety ho rindrankajy appspot an'i Google. Nitsahatra tsy nampiseho izay hafatra vaovao intsony ny API tao amin'ny Twitter, dia nangingiana e!

Nisy ihany koa ireo tatitra [zh] [2] nilaza fa ireo fitaovana fihoarana, tahaka ny Freegate dia tsy afaka niasa tsara tao anatin'ny roa andro. Na teo aza ireny olana ireny, ny mafàna fo amin'ny fampitam-baovao @wenyunchao dia niezaka hatrany nanangona araka izay tratrany ireo sarina “seza foana” avy amin'ireo Sinoa mponin'ny aterineto, tamin'ny fampiasana ny tenifototra #kongyizi tao amin'ny Twitter. Ity ambany ity ny iray isan'ny malaza indrindra:

[3]