- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iran: “Voaheloka ho faty ny mpamorona tranokalam-betaveta iray”

Sokajy: IrĂ na, Vaovao Mafana, GV Mpisolovava

Miatrika [1] sazy fanamelohana ho faty any Iran i Saeed Malekpour, mpanangana tranonkala, noho izy voapanga ho nanaingo tranonkala natao ho an”olon-dehibe”. Tranonkala Iraniana vitsivitsy no nanoratra [2] fa Malekpour no tena mpitantana ny Avizon, tranonkalam-betaveta henjana, ary tsy gadra politika mihitsy izy.