- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iran: Miresaka ireo antontan-taratasin'ny Wikileaks ny mpitoraka bilaogy

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Fahalalahàna miteny, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Hevitra, Politika

Ireo antontan-taratasy momba ny Cablegate [1] an'i Wikleaks dia nampiseho ireo fifamatorana maizina eo amin'i Iran sy Afghanistan [2]; vaovao anatiny mikasika ny fitondrana Iraniana sy ny mpanohitra; ary ny tahotry ny tontolo Arabo manoloana ny politika noklearin'i Iran [3]. Naneho hevitra mikasika ireny ampamoaka ireny ireo Iraniana mpitoraka bilaogy, indraindray miaraka amina hadrohadro, indraindray amin'ny fandrehetana asam-panoherana miafina any an-tsaina any, ary indraindray tena am-pahamatorana tanteraka.

Natour Shahr milaza fa ireo antontan-taratasin'i Wikileaks dia miresaka ny aretin'ny filoha faratampon'i Iran, Ali Khamenei [4] sy ny eritreritry ny filoha teo aloha Ali Akbar Rafsanjani [5] hisolo toerana azy. Milaza ihany koa izy ireo mikasika ny disadisa eo amin'ireo lohandohan'ny mpisorona Iraniana, izay mampiseho fa tsy marin-toerana araka izay lazainy akory ny fitondrana [6]. Raha ny voalazan'ilay mpitoraka bilaogy [fa]:

Maneho ireo antontan-taratasin'ny Wikileaks fa maherin'ny 80 isan-jaton'ny vahoaka no nifidy [7] an'i Karroubi [8] sy Mousavi [9]. Manaporofo io fa tsy misy dikany mihitsy ny ezaka fakàna ny fom-bahoaka ataon'ny governemanta… Mampiseho koa ireo antontan-taratasy ireo fa aorian'ilay endrika mitsikin'ny Arabo dia misy nify miafina, ary tena marefo ny fifandraisan'i Iran amin-dry zareo.

Iran Vatanam mitsonga fa [10] ny masoivoho Aotrisiana ao Teheran dia nampitovy an-dramatoa Minisitry ny Fahasalaman'ny Repoblika Islamika ho  “saribakoly tsy matoky tena”.

Gameron manoratra [11] miaraka amina hadrohadro fa ny iray amin'ireo antontan-taratasin'ny Wikileaks dia mampiseho in-telo miantoana ny nanakanan'i Etazonia ny fiverenan'ilay ”Imam miafina [12]” [Mahdi, ilay Imam farany amin'ireo Imams Roambinifolo ao amin'ny silamo shiite [13]].

Said Saman manoratra fa  Julian Assange [14] sy ny  Wikileaks-ny “tsy miankina” dia mandeha mianady miaraka amina sabatra vita amin'ny hazo hifanandrina amina dragona vita amin'ny plastika. Misalasala ny amin'ny fahamatoran'i Assange ilay mpitoraka bilaogy ka manoratra [15] hoe [15] [fa]:

Ho ana ampamoaka faran'izay kely, ny sampana miafina (secret service) dia namono sy nanapa-doha olona tany Washington, London, Berlin sy nanerana izao tontolo izao. Fa iza ity Assange ity no manana fepetra fiarovana tahaka izany?… Nampiaka-peo ny Maison Blanche sy ny Pentagone, saingy tsy afaka akory na dia ny hisambotra ny loharanon'ireny ampamoaka ireny aza…