- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Colombia: Tondradrano ao Riosucio, Chocó

Sokajy: Amerika Latina, Kolombia, Voina

Noresahan'ny fampahalalam-baovao tranainy ny toetrandro ririna tao  Colombia [1] teo ary ireo tambajotra sosialy kosa dia niresaka momba ny tondra-drano, ny fihotsahan'ny tany sy ny hazo niongotra hatramin'ny fotony nitranga tany. Ny fampahalalam-baovaom-pirenena dia mitatitra fa 28 amin'ny departemanta 32 ao Colombia no voadona; tao amin'ny Twitter [2], amin'ny alalan'ny kaontin'ny Territorio Chocoano (@chocoanos [3]), nanaraka ny toe-draharaha sarotra ao amin'ny Departemantan'i Chocó [4] ao avaratra-atsinanan'i Colombia, indrindra indrindra ao amin'ny fari-piadidian'i Riosucio [5].

Mitatitra ny Territorio Chocoano (@chocoanos [6]):

Cada vez es mayor la emergencia que se vive en el Chocó por el desbordamiento de los ríos Atrato y el San Juan

Isaky ny mihetsika dia goavana foana ny zavtra iainana amin'ny voina mitranga ao Chocó noho ny fahavakisan'ny reniranon'i  Atrato sy San Juan

Manampy ny Territorio Chocoano (@chocoanos [7]):

El agua tiene anegados los cuatro kilómetros cuadrados del casco urbano del municipio de Riosucio (Chocó) #SOSColombia [8]

Nandrakotra velarana efatra kilometatra toradroa tao amin'ny tanana afovoan'i Riosuicio (Chocó) ny rano #SOSColombia [8]

House flooded in Riosucio [9]

Trano tondraky ny rano ao Riosucio avy amin'ny bilaogy Libreta de Apuntes – Creative Commons 3.0 License

Ao amin'ny bilaogy Mira Sysmaya [10] [es], mizara vaovao maromaro avy any  El Colombiano [11] [es] ry zareo:

Riosucio está bajo el agua. Desde hace 30 días los niveles del río Atrato han crecido al tope hasta alcanzar los tres metros de altura, dejando por lo menos 1.200 viviendas anegadas.

Dibo-drano i Riosucio. Tato anatin'ny 30 andro dia niakatra be izay tsy izy ny haavon'ny renirano Atrato isak'izay mirotsaka ny orana ary amin'izao fotoana dia efa mahatratra 3 metatra ny haavony, nitarika farafahakeliny trano 1200 tondraky ny rano.

Ilay lahatsoratra dia miresaka koa ny toe-draharaha ankapobeny ao Colombia:

Desde el pasado 18 de noviembre el Presidente Juan Manuel Santos, declaró la calamidad pública en 28 de los 32 departamentos. Sin embargo, esta figura no le permite al Gobierno Nacional asumir compromisos económicos que comprometan multimillonarias inversiones.

Tamin'ny 18 Novambra lasa teo, ny Filoha Juan Manuel Santos, dia nanambara ny fa latsaka an-katerena ny departemanta 28 amin'ireo 32. Na izany aza, tsy manampy mihitsy ny governemanta hanatrarany ny tanjona ara-toekarena izay mitntina an-tapitrisa dolara maro izany.

Ao amin'ny bilaogy Libreta de apuntes [12] [es] dia manoratra ry zareo:

De lo que ocurre en Riosucio, Chocó no hablan los grandes medios de comunicación. Quizá porque están ocupados en atender las tragedias de otras ciudades más grandes y cercanas.

Tsy misy voaresaka any anatin'ireo fantsom-baovao goavana izay zava-mitranga ao Riosucio (Chocó). Satria angamba mbola sahirana mandrakotra ny zava-doza kokoa mitranga any amin'ireo tanana akaikin'ny misy azy ry zareo.

Amin'ny fomba filàzany manokana, Darío Blandón solotena avy ao  Riosucio dia mamintina ny zava-misy:

Darío Blandón, el Personero de Riosucio reporta que “toda el área urbana del municipio está inundada inclusive la vía carreteable hasta el batallón del Ejército Nacional.

El centro de Salud, las escuelas y colegios también están sumergidos. No hay una sola vivienda que esté por fuera de las aguas. “La gente sale de sus casas por las ventanas y los techos”.

Darío Blandón, mpitondra tenin'i Riocuscio rdia mitatitra fa “tondraky ny rano ny tanàna manontoloa ary isan'izany ny arabe migodana mitondra mankany amin'ny tobin'ny Tafi-panjakana.

Ny tobim-pahasalamàna, ny sekoly fanabeazana fototra sy ny ambaratonga ambony dia samy tondraka avokoa. Tsy misy na trano iray aza hita eny ambonin'ny rano. “Eny ambaravarankely sy eny an-tafonttrano no mandositra ny tranony ny olona.”

Farany, amin'ny alalan'ny Twitter [13] sy ny Facebook [14] koa no mivezivezy ny sary iray avy amin'ny NASA [15]. Miteny ho azy ny amin'ny anton'ny toetrandro ririnina teo aloha teo ilay sary. Daniel Urrea (@DanielUP [16]) mizara ilay sary sy ny fomba famakiny azy io:

En la NASA descubrieron que, literal y visualmente, somos el asshole del planeta http://bit.ly/e1xzvu [17] (vía @Telemedellin [18])

Tao amin'ny NASA dia nahita ry zareo fa, raha ny hita maso sy ara-bakiteny, dia lavabodin'ny planeta isika. http://bit.ly/e1xzvu [17] (avy amin'i @Telemedellin [18])