- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

FOKO: Fitsapan-kevi-bahoaka momba ny Lalam-panorenana sy fanonganam-panjakana tsy nahomby

Sokajy: Rising Voices

Mandalo fotoana mikorontana i Madagasikara. Tao aorian'ny 20 volana niovan'ny fitondrana,  dia noheverin amin'izay ny fiverenana amin'ny rafitra araka ny Lalampanorenana. Notontosaina tamin'ny 17 novambra teo ny referendum [1] izay nifandirana tokoa momba ny Lalampanorenana vaovao. Feno tsy fanarahan-dalàna sy saron'ny fanonganam-panjakana tsy nahomby [2] moa ilay fifidianana.

Mpitoraka bilaogy vitsivitsy mpikambana ao amin'ny Rising Voices avy amin'ny FOKO [3] Madagasikara  no nanohy nizara vaovao araka izay nitranga sady nilaza ny heviny.

[4]

Nandritra ny Referendum. Sary: Jentilisa

I Andry dia nanoratra [5] momba ny rotaka tao Antananarivo mialoha ny fitsapan-kevi-bahoaka izay tsy nandraisan'ny mpanohitra anjara:

Nitombo ny fifandonana amin'ny mpitandro ny filaminana sy ny mpanohana ny ankolafy telo (Ravalomanana – Ratsiraka – Zafy) omaly.

Andro vitsivitsy lasa izay dia nanao taratasy fangatahana tamin'ny fiadidiana ny tanàna sy tamin'ny prefektioran'ny polisy ny ankolafy telo hampiasa ny kianjan'ny MALACAM ao Antanimena. [..]

Nanapa-kevitra ny Praiminisitra Jeneraly Camille Vital, tao aorian'ny fivoriana niaraka tamin'ny Manamboninahitra ambony ao anatin'ny Etamazaoro fa taorian'ny fanapahan-kevitry ny fiadidiana ny tanàna dia raràna avokoa ny hetsika politika an-dalam-be rehetra.

[5]

Fiara Mazda nitondra ankizy Karana norobaina sy nodorana. Sary avy amin'i Dadandry

Namotika fiara ary nanafika fivarotana ana-vahiny ny mpanao fihetsiketsehana.

“Tsy ho ekeko na oviana na oviana izao fisaim-boto sy tsy manampahaizana mandroba sy manimba fananambahoaka izao,” hoy ny nampahatsiahivin'i Andry.

I Ariniaina dia nanao [6] fanadihadiana an-tserasera ary nizara ny valiny:

Ny fanontaniana voalohany dia: Andeha hifidy ve ianao?

Ny 25.8% no niteny hoe ENY; ny 64.5% niteny hoe TSIA ary ny 9.7% nilaza fa mbola tsy fantany tamin'ny fotoana nanaovana ny fanadihadiana.

Nanamarika [7] i Harinjaka fa  manakaiky ny 80% ny olom-pirenena eto Madagasikara dia tsy te-hanatontosa ny adidiny ara-politika ary dia nametra-panontaniana hoe:

“Raha toa ka latsaka ny 50 isan-jato ny tahan'ny fandraisana anjara amin'ny fifidianana, hanaiky ve ny fikambanana iraisam-pirenena fa firenena Demokratika i Madagasikara?”