- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manampy HTTPS ny YouTube; tafiditra ny Siriana, Toniziana, saingy…!

Sokajy: GV Mpisolovava

Tany anaty vaovao ny HTTPS [1] tato ho ato; voalohany, noho ny Firesheep [2], rindrambaiko izay manome fahafahana ireo mpampiasa ny WiFi hitroka ireo cookies sy hangalatra ny fidiran'ireo mpampiasa tambajotra sosialy raha tsy mampiasa ny HTTPS izy ireo. Vokatr'izany, niainga ny fanentanana [3] iantsoana ireo orinasa mba hanome HTTPS “par défaut” ary dia namoaka rindrambaiko antsoina hoe HTTPS Everywhere [4] ny EFF izay, rehefa voapetraka ao anaty solosaina, dia tonga dia mitondra ireo mpampiasa any amin'ny endriky ny vohikala mampiasa ny HTTPS.

Afaka mandingana ny sivana amin'ny alalan'ny fampiasàna ny HTTPS ihany koa ireo mpampiasa aterineto, izay manome famporisihana ireo orinasa mba hametraka azy io, tahaka ny nataon'i YouTube vao haingana.  Kanefa, avy amin'ireo andrana natao tany Tonizia (izay sakànana amin'ny alalan'ny adiresy IP ny YouTube [5]), dia niseho fa, rehefa afaka miditra ao amin'ny https://www.youtube.com ireo mpampiasa, dia mbola tsy afaka mijery horonantsary; rehefa manàndrana izany izy ireo, dia mipoitra ity hafatra manambara fahadisoana ity:

[6]

Ilay hafatra manambara fahadisoana azon'ireo mpampiasa any Tonisia rehefa miezaka mijery horonantsary YouTube amin'ny HTTPS encryption

Mba hahafahan'ireo Toniziana (sy ireo mpampiasa any amin'ireo firenena hafa izay anakanana ny YouTube amin'ny adiresy IP ) mijery horonantsary, dia miahiahy izahay fa mila mitandrina ny YouTube mba tsy ny pejy fandraisany ihany, fa ny code fanitrika ihany koa, dia mety ampiasaina amin'ny HTTPS.  Ny fijerena ny loharano-na code (HTTPS) tamina pejy horonantsarina  olon-tsotra iray dia mampiseho fa HTTP daholo ilay code:

[7]