Novambra, 2010

Tantara tamin'ny Novambra, 2010

Japana: Manamasina ny finamananareo aho

  18 Novambra 2010

Ho an'ireo izay mijery manokana ny sokajin'olona ara-sosialy, nisy iray vaovao indray noforonina: ny ‘mpivady mpinamana’. Ny teny tomo-fuhfu (ara-bakiteny ny tomo midika hoe ‘mpifanila na namana’ ary ny fuhfu ‘mpivady’) no teny vaovao noforonin'ny mpanoratra Megumi Ushikubo mba hanondroana ireo olon-droa izay niaina tamin'ny toerana roa nifanalavitra ary tsy...

Madagasikara : Antenaiko ho “pont” hatramin'ny faha-16 mihitsy aza!

  17 Novambra 2010

Ny mpiblaogy Lay Andriamialy dia mitatitra ireo fomba fijery samihafa ananan'ny sarambambem-bahoaka manoloana ity fitsapan-kevibahoaka momba ny lalam-panorenana vaovao ity: - Est-ce que le 17 Nov sera férié? – J'espère et même que le 16 soit pont “- Ho andro tsy fiasana ve izany ny faha-17-n'ny volana Novambra? – Antenaiko...

Shina: Mafàna fo nohelohina herintaona hanao asa fanarenana noho ny sangy ratsy ara-politika

GV Mpisolovava  16 Novambra 2010

Araka ny bitsika nalefan'ireo Mpiaro ny Zon'Olombelona ao Shina, ilay mafàna fo amin'izany fiarovana zon'olombelona izany Wang Yi, Cheng Jianping 程建萍 no tena anarany,  dia voaheloka herintaona hanao asa fanarenana noho ny famerenana nandefa lahatsoratra politika miendrika tononkalo manao sangy ratsy mikasika ny hetsika  tsy fankasitrahana an'i Japana tao amin'ny...

Ejipta: Mponin'ny aterineto hiatrika Fitsara-miaramila noho ny fanangànana pejy Facebook

GV Mpisolovava  14 Novambra 2010

Fanindroany indray izao ao Ejipta no hisy mpampiasa aterineto hiatrika fitsara-miaramila. Ahmed Hassan Basiouny dia hiatrika fitsara-miaramila amin'ity volana ity, raharaha mitondra ny laharana 4405/2010, taorian'ny fanamelohan'ny mpampanoa lalàna miaramila azy ho: “Famoahana tsiambaratelom-piarovana  tamin'ny alàlan'ny aterineto, ary fanapariaham-baovao sy zavatra manokana mikasika ny Tafika Mitam-piadina ao Ejipta tamin'ny alàlan'ny...

Chiapas: fisamborana tsy misy didy natao tamina mafàna fo amin'ny Rindrankajy Malalaka (Logiciel Libre)

GV Mpisolovava  14 Novambra 2010

Chiapas no mpisava làlana tamin'ny fampiasàna ny zoto an-tserasera dizitaly tamin'ny hetsika sosialy be mpahalàla. Tamin'ny 1994 izy no nanomboka niaraka tamin'ny hetsiky ny Zapatista ary mitohy hatrany ho fitaovana fanomezana hery ireo mpihoko. Manome safidy vaovao ho an'ny haino amanjery dizitaly - gazety an-tsoratra sy fampitam-peo izy - manampy ireo Chiapanecos handrafitra ny rindrankajiny azy manokana izy - manna hatramin'ny hackerspaces ry zareo ao anatin'nyu vondrom-piarahamoniny mahaleotena toy ny Oventic sy ny Tzajala - ary mitombo hatrany foana ny vondrom-piarahamonin-dry zareo araka izay azonao jerena ao amin'ny Chiapatuit, Fedora sy ny vondrom-piarahamonin'ny rindrankajy malalaka (Logiciel Libre)

Chili sy Chine: Famonjena ireo mpitrandraka ankibon'ny tany

  11 Novambra 2010

Ny vaovao mikasika ny  fanavotana ireo mpitrandraka harena ankibon'ny tany nahombiazana nataon'ny fanjakana tany Chili tamin'ny 14 oktobra no narahan'ny loza nitranga tamin'ny toerana fitrandrahana an-kibon'ny tany tao Pinyu, ao amin'ny faritanin'i Henan any Chine tamin'ny 16 oktobra. Ity loza tany Chine ity, vokatry ny fipoahan'ny entona sy ny vovoka saribao,...