- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejypta: Nosakànan'ny Facebook ny pejy malaza manohitra ny Fampijaliana

Sokajy: Ejipta, GV Mpisolovava

Fanavaozana 1: Miverina indray ny pejy nosakànana. Araka ny mailaka iray azon'ilay mpandrindra ity pejy ity [1], “Taorian'ny famerenana nandinika ny mikasika anareo, dia namerina indray ity pejy ity izahay, ary efa afaka mijery izany ao anaty aterineto ianareo.” hoy ny solontenan'ny facebook.

Fanavaozana faha-2: Ny 30 Novambra 2010, nanameloka an'i  Ahmed 6 volana an-tranomaizina ny fitsarana miaramila noho ny hoe namoahany ny tsiambaratelom-piarovana tao amin'ny Facebook.

Sarin'ilay pejy nofoanana – avy amin'ny Google Cache.

Ny takarivan'ny 25 Novambra lasa teo, dia nanàkana ny pejy “We Are All Khaled Said [2]” izay nanana mpanaraka mihoatra ny 300,000 ny Facebook.com. Niforona taorian'ny famonoan'ireo mpitandro filaminana roa ho faty an'ilay lehilahy Ejyptiana 28 taona antsoina hoe Khaled Said [3] tany Alexandria, izay nitady azy noho ny lalàna maika, araka ny voalazan'ny Ivontoerena El Nadim fanarenana ireo nianjadian'ny fampijaliana [4], vondrona ao an-toerana misahana ny zon'olombelona

Nampiasa ity pejy ity hamoahany ireo fanavaozana mikasika ny fizotran'ity raharaha ity teo anatrehan'ny fitsarana sy ireo vaovao mahakasika ity tranga niseho ny 6 Jona 2010 ity ny mpandrindra ilay pejy, ary koa manentana ny vahoaka mba hiditra any amin'ireo fikambanana mikasika ny fandriampahalemana izay mitsangana manohitra ny fampijaliana misy any Ejypta sy manohana ireo niaran'izany herisetra izany

Taorian'ny fanafoanana ity pejy ity, dia nanambara izao tao amin'ny Twitter [5] ireo mpandrindra:

[5]

Nanakana ilay pejy lehibe indrindra mpanohana ny zon'olombelona any Ejypta ny Facebook. Ny endrika mahatsiravin'ny fanivànana!

Ilaina ny mampahafantatra fa tamin'ny Aogositra 2009, namoaka lahatsoratra ny gazety an-tsoratra Kaoetiana mikasika  ny sampan-draharahan'ny mpitandro filaminana hanaraha-maso ny Facebook any Ejypta [6].

Mbola tsy mazava ny antony nahatonga ny mpandrindra ny Facebook handray fanapahan-kevitra tampoka tahaka izany sy ny hoe nisy ve fifanatonana niarahany tamin'ny fikambanana Ejyptiana Connect Ads, izay solontena ofisialin'ny Facebook.com any Atsinanana Afovoany sy Afrika Avaratra.

Ny hetsika farany tao anatin'ity pejy ity dia ny fanasàna ny olona handray anjara amin'ny “Angry Friday” (Zoma-n'ny hatezerana) izay ho tontosaina ny Zoma 26 Novambra, mba hanohana ireo iharan'ny fampijaliana sy herisetra.