- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fanambarana ny zon'ny teratany : Mitoka-monina i Etazonia ankehitriny fa nanasonia i Kanadà

Sokajy: Amerika Avaratra, Etazonia, Kanadà, Foko sy Fiaviana, Teratany, Zavakanto & Kolontsaina

Na dia naverina hodinihana indray aza [1] ny Fanambaran'ny Firenena Mikambana mikasika ny zon'ny Teratany [tompontany [2]], dia mahita ny tenany ho firenena tokana nanohitra io antotan-taratasy io tamin'ny 2007. Izany dia noho i Kanada nivadika tampoka hanaiky ity Fanambarana ity, nanara-dia an'i Aostralia [3] sy Nouvelle Zellande [1] nanao izany koa talohaloha kely teo.

Hiran'ny Teratany [Tompontany na Vazimba] Inuit any Kanadà

Ahitana ny lahatsoratr'i Angela T. Chang izay mpikambana ao aminy any Kanadà amin'izao safidiny izao ny Human Rights Now [4], bilaogin'ny Amnesty International:

Ny 12 Novambra, nanohana ny Fanambaran'ny Firenena Mikambana mikasika ny Zon'ny Tompontany (UNDRIP) i Kanada. Fitaovana mifandraika amin'ny zon'olombelona ity fanambarana tsy ifanerena ity izay mametraka fenitra iraisam-pirenena hampanajana ny  fahavelomana, ny fahamendrehana, ary ny zo hiaina finaritra ho an'ny mponina rehetra.

[…]

Tokony ho nanaiky ny UNDRIP i Etazonia. Ny fanohanana tsy misy fepetra tokony nataon'i Etazonia tamin'ity fanambarana ity no fototra nametraka fa hanaja ny zon'ny Tompontany izay ahitana ny sokajin'olona osa sy mahonena indrindra manerantany izy. Miaina anaty fahantrana ny 24%n'ny Tompontany any Etazonia.

Nangataka ireo mpamaky azy i Chang mba handefa hafatra ho an'i Barack Obama [5] ka mangataka ny fanekena ity Fanambarana ity.

Tsy ny rehetra ihany koa anefa no afa-po amin'ny faneken'i Kanada. Pam Palmater Mpahay lalàna sady mpampianatra, monina any Toronto, dia manoratra ao amin'ny bilaogy Non-Status Indians [6], ka miaro ny zon'ireo izay tsy raisina ofisialy ho Tompontany, milaza io vaovao io ho “Fahadisoam-pijerin'ny Fitsarana any Kanada”:

Te-hieritreritra aho hoe efa niova ny fijerin'i Kanadà [kifetsifetsy] teo aloha, fa ny faneken'ny mpitahiry ny mahazatra [conservateurs] ity fanambarana voafetran'ny UNDRIP ity no mametraka ny mifanohitra amin'izany. Etsy ankilany mampanantena izy ireo fa hanao fanovana amin'ity teboka ity nefa atsy ambadika, mitady ny fanohanan'ny olona hanohitra anay mitady ny hevitra rehetra tsy hanaja ny fampanantenan'izy ireo. Tsy tena manaiky ny UNDRIP i Kanada, na ara-bakinteny na ara-kevitra – nanao “Fanambaram-Panohanana” izay tsy manova ny zon'ireo tompon-tany (na ny tsy fisian'izany) ao aminy.